Kandida telo izany izao no nahazo salan’isa mihoatra ny 10% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny CENI-T. Raha mitovy amin’io ihany koa ny voka-pifidianana havoakan’ny CES dia miverina amin’izy ireo ny antoka 50 tapitrisa Ariary narotsaka tany amin’ny kitapom-bolam-panjakana.
“Ny tetibolam-panjakana manoloana ireo fomba fijery malagasy”. Io no lohahevitra hovelabelarin’ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana Robimanana Rivomanantsoa Orlando ny alakamisy 07 novambra hariva mandritra ny ora roa ao amin’ny Carlton Anosy. Tafiditra ao amin’ireo fifanakalozana ara-toekarena karakarain’ny “Groupement d’Entreprises de Madagascar” ity hetsika ity.
Rivodoza miisa 26 no vinavinain’ny mpamantatra toetr’andro hipaka eto amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasina Indiana mandritra ny taom-pahavaratra 2013-2014. 3 na 4 amin’ireo no mety handalo eto Madagasikara. Efa fantatra ny anarana omena azy ireo.
Mety hifanojo amin’ny fandalovan’ny rivodoza voalohany amin’ity taom-pahavaratra 2013-2014 ity ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa miaraka amin’ny solombavambahoaka amin’ny 20 desambra ho avy io, raha ny mahazatra hatramin’izay hoy ny sampandraharaha mamantatra ny toetr’andro eny Ampasampito.
Mampiranty sary nalaina miisa 35 momba an’i Madagasikara, indrindra ny renivohitra Antananarivo tao anatin’ny 100 taona eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ilay mpanakanto Luc Monteret. Nanomboka omaly 05 ka haharitra hatramin’ny 16 novambra 2013 ho avy izao ny fampirantiana.
Distrika dimy sisa dia i Benenitra, Betioky, Analalava, Ampanihy ary Ambovombe no andrasana ny vokatra dia feno tanteraka ny Distrika 119. Ny antony dia tena saro-dalana ireo toerana ireo, tsy afaky ny angidimby ka tsy maintsy aterin-tongotra hatreny amin’ny seranana azo ijanonana..
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.