Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 05 Novambra 2013


Mitaky fivoriana vonjimaika miaraka amin’ny Praiminisitra Omer Beriziky sy ny filohan’ny Ceni-T Béatrice Attalah ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Hanolo-kevitra amin’ny fandaniana lalàna vaovao ahafahana manokatra ny lisi-pifidianana mba hananan’ireo olom-pirenena malagasy zo hifidy haneho ny heviny amin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ity andrim-panjakana ity.

Nanatanteraka fihaonana fanomezam-baovao ho an’ireo mpianatra maniry ny hiditra amin’ny sekoly ambony frantsay ho amin’ny taona 2014 ny «Espace Campus France» omaly teny amin’ny Institut Français de Madagascar Analakely. Afaka nanaraka izany mivantana tamin’ny “visio-conférence” ihany koa ireo liana tany amin’ny faritra toa an’i Fianarantsoa, Ambositra sy Antsiranana.

Namoaka vola 33 arivo tapitrisa Ariary ny Tahirim-bolam-panjakana ho fanohanana ny orinasa Air Madagascar. Natokana hanampiana ny drafi-panarenana ity kaompaniam-pitaterana ity io bolongam-bola nampindramina io mba hahatrarana ny tanjona ho voalohany aty amin’ny faritry ny ranomasina Indiana.

Manodidina ny 80% ny fahafenoan’ny mpandeha amin’ny zotram-pitaterana Air Madagascar ankehitriny. Feno mpizahatany foana ireo zotran’ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity nanomboka ny volana septambra 2013. Efa tafakatra 85% ny fahafenoan’ny seza ankehitriny raha 30% izany tamin’ny volana janoary 2013.

Ao anatin’ny fotoana fanaraha-maso ireo fitaovana fitrandrahana ilmenita ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany Qit Minerals Madagascar ao Tolognaro ankehitriny. nanomboka ny volana oktobra 2013 teo izany ka hatramin’ny volana janoary 2014.

Lany ny tahirin-tsolika teto an-drenivohitra omaly alatsinainy maraina. Ny antony, araka ny filazan’ny tompon’andraikitra dia vokatry ny andro tsy fisiana lavalava ihany tamin’ny herinandro. Tamin’ny 11ora30 antoandro vao nivaha ny olana.

Namono olona ny tetezan’Ampasika tamin’ny alakamisy lasa teo. Nisy olona nianjera teo amin’ilay faritra tsy nisy arofanina intsony ka tonga dia nivarina tany anaty rano. Tonga tany amin’ny hopitaly dia tsy avotra ny ainy. Hanao randra-mitarika ny loza raha tsy hamboariana haingana ny arofanin’io tetezana io.

Notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana ny trano fonenan-dry masera eny Ampefiloha Ambodirano ny sabotsy alina lasa teo. Lasan-dry zalahy ny kojakojan-tokantrano sy entana maro. Nalahelo ny mponina eny an-toerana fa ny mpiahy ny vahoaka indray ity no voatafika.

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT