Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 04 Novambra 2013


Nanambaran’ny GEN (Groupe des Experts Nationaux en matière d'élections ) na vondron’ireo manampahaizam-pirenena momba ny fifidianana fa ny 65%-n’ireo mpifidy naneho ny heviny tamin’ny 25 oktobra lasa teo no nanana kara-pifidianana raha 30,45% kosa no salanisa voarakotr’ireo mpiasa nanao fanisana olona. 45,5%-n’ireo mpifidy no nanamafy fa nahazo akanjo, satroka ary vola nandritra ny fampielezan-kevitra.

Efa tokony hampihatra ny fomba fampianarana LMD ireo anjerimanontolo malagasy, araka ny fanampim-baovao azo teny amin’ny sampam-pampianarana Haisoratra sy ny Siansa maha olona eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Io fahazoana diplaoma io ihany mantsy no ankatoavin’ny any Eoropa manomboka amin’ny taona 2015.

Nanomboka omaly alahady 03 novambra 2013 ny fotoam-pahatongavan’ny rivodoza ary hifarana ny 30 aprily 2014, raha ny filazan’ny sampandraharaha mamantatra ny toetr’andro eny Ampasampito.

Nihena 21% ny voka-bary tamin’ny taom-pamokarana 2012-2013 mihoatra ny tamin’ny taon-dasa. 3.610.626 taonina izany tamin’ity raha 4.550.649 taonina tamin’ny taon-dasa.

4,47% ny antontan’isan’ireo mpianatra avy amin’ny sekoly eny ambanivohitra no mitsoaka an-daharana mialoha ny fotoana famaranana ny ambaratonga voalohany.

Ramano F.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT