40%-n’ny Malagasy ihany no liana amin’ny politika sy mandray anjara mivantana amin’ny maha olom-pirenena azy ireo. Io tarehimarika io no manazava ny salan’isam-pandraisan’anjaran’ny Malagasy amin’ny fifidianana, araka ny tatitra 2013 navoakan’ny tambajotra iraisam-pirenena sy ny ekipa Malagasy avy amin’ny Afrobaromètre.
Efa am-periny ankehitriny ilay tetikasa fandrefesam-pirenena ho fanamafisana ireo tantsoroka ho amin’ny fitantanana ny tontolo iainana maneran-tany tohanan’ny Tahirimbola misahana ny fitantanana ny tontolo iainana maneran-tany ao anatin’ny fandaharan’asan’ny Firenena mikambana ho amin’ny fampandrosoana. 12 hatramin’ny 18 volana no faharetan’ity tetikasa ANCR ity.
Mila mailo tanteraka ireo teratany Frantsay mivahiny eto Madagasikara. Izay ny fampilazana nivoaka avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ao Quai d’Orsay tamin’ity herinandro ity manoloana ireo fanafihana mitam-piadiana tato ho ato.
Ny 25%-n’ny fitakiana fanampian’ireo mpampianatra FRAM ihany no manana taratasy mazava sy tena miasa. Izay no nambaran’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Manoro Régis.
Lasan’ilay orinasa vahiny mpitrandraka harena ankibon’ny tany Enerziger Resources Inc ny 100%-n’ireo tetikasa fikarohana vato grafita ao Molo, akaikin’i Fotadrevo.
Efa maherin’ny 400 Ar ny kapoakan’ny fotsimbary eto Antananarivo Renivohitra. Any amin’ny amin’ny distrikan’Arivonimamo izao dia efa 400Ar amin’ny ankapobeny. Vao manomboka anefa ny maitso ahitra amin’izao fotoana izao.
Nilamindamina ny fifamoivoizana tamin’ny faritra maro teto Analamanga omaly zoma 01 novambra. Tsy dia nisy ny fitohanana. Niasa ihany anefa na izany aza ireo mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana toy ny polisim-pirenena sy monisipaly. Tsy dia nasiaka izy ireo omaly.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.