Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 31 Oktobra 2013


Ny 04 novambra izao no fe-potoana farany azo andraisana ireo fitoriana sy fitarainana mikasika ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana filoham-pirenena eny amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana eny Ambohidahy izay hanapaka ny momba izany. Manan-jo hanao izany ireo mpifidy nandatsa-bato sy voasoratra ao amin’ny lisi-pifidianana, ireo kandida sy ireo delege mpisolotena ary ireo mpanara-maso ny fifidianana.

Topi-maso mikasika ny lova ara-kolontsaina, tolo-tanana ho an’ny tantaram-bakoky ny faritra atsinanan’i Madagasikara : ireo toeram-pikarohana hita ao Mangoro sy Ivondro. Io no lohahevitry ny famelabelarana izay hita eny amin’ny «Institut de Civilisation du Musée d’Art et d’Archéologie Isoraka» androany alakamisy 31 oktobra 2013.

Nanomboka omaly 30 oktobra ao Vavatenina ary haharitra dimy andro ny “Festival Jerijery”. Nanamarika ny andro voalohany omaly nanokafana ny hetsika ny karnavaly manodidina ny tanàna. Natao indrindra hanasongadinana ny otrikarena ananan’ity Distrika ity ny“Festival Jerijery”, izay eo amin’ny andiany faha-12 ny amin’ity taona ity.

Nandoavam-bola 200 Ariary isan’ora nanomboka tamin’ity volana oktobra ity ny toeram-piantsonana ao amin’ny HJRA Ampefiloha. Noraisina izany fanapahan-kevitra izany hitandroana ny filaminana sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ny hopitaly.

Nivahiny tao amin’ny radio tsy miankina iray i Lalatiana Ravololomanana omaly. Nanohana ny kandida Edgard Razafindravahy ity mpanao politika  ity. Nambarany fa tamin’ny fomba tsy nanara-dalàna no nahatafakatra ireo kandida roa ireo. Nilaza ny tsy hanohana izy amin’ny fihodinana faharoa.

Mitaraina ny mponina eny Ambohijafy Fenoarivo Atsimondrano amin’ny afitsoky ny jirama. Efa tamin’ny volana septambra no miakatra tampoka ny herinaratra ka manimba fitaovana toy ny tele, vata fampangatsiana… Hatramin’ny takamoa raha vao pihina tonga dia maty. Ny 70%-n’ny fitaovana,araka izany no simba.

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT