Mieritreritra ny ankamaron’ny sefo Fokontany fa ireo olona eny ifotony no tokony hametrahana andraikitra amin’ny fanisana ireo mpifidy hiatrehana ireo fifidianana manaraka rehetra. Amin’izay dia tsy hisy intsony ireo lesoka toy ireo olana teo amin’ny kara-pifidianana sy ny lisi-pifidianana hita nandritra ny fandatsaham-bato ho an’ny filoham-pirenena fihodinana voalohany.
Nahazo aina kely ny sandam-bola Ariary nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2013, hoy ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, izay niakatra 3% mihoatra amin’ny euro sy dolara amerikanina. Nihena an-toerana kosa ireo tahiry satria raha 1,051 dolara izany ny faran’ny volana desambra 2012 dia nidina ho 853 dolara ny volana jona 2013, izay mitovy amin’ny fanafarana entana mandritra ny 2,6 volana.
Mbola hijanona ambany ny tinady anatiny sy ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatra tsy miankina hatramin’ny fiafaran’ny taona, hoy ny Banky Iraisam-pirenena. Ho 3,3% ny fitombon’ny harinkarena faobe raha 1,8% kosa izany ho an’ny sehatra hafa ankoatra ny harena ankibon’ny tany. Miankina amin’ny fahatanterahan’ny fifidianana amin’ity taona 2013 ity ny vinavina ho an’ny taona 2014.
Hatramin’ny faran’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2013 dia 43%-n’ny tetibola ankapobeny no nampiasaina. Ny 331 miliara amin’ny 1.467 miliara Ariary tamin’izany dia natontona tany amin’ny fampiasam-bola.
Hanomboka ny voalohan’ny volana novambra izao ireo hetsika famonoam-balala anabakabaka ao Toliara, araka ny fandaharan’asa nofaritan’ny FAO sy ny ministeran’ny fambolena. Velaran-tany maherin’ny 2 tapitrisa hektara no hokarakaraina amin’izany.
Mitentina 450.000 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka ateraky ny fitotongan’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Manodidina ny 9 hatramin’ny 10%-n’ny vokatra anatin’ny firenena io tarehimarika io.
Nidina be ny fanofanana ireo mpampianatra mpiasam-panjakana nanomboka tamin’ny taona 2008. Nisy akony goavana teo amin’ny faharatsian’ny kalitaon’ny fanabeazana izany.
Lehiben’ny faritra miisa 6 hilatsaka hofidina ho depiote no tsy mbola nametra-pialana hatramin’izao. Anisan’izany ny avy any SAVA,Melaky,Vatovavy Fitovinany. Tamin’ny alatsinainy 21 oktobra lasa teo anefa no fetra farany tokony ho nanaovana izany.
Omaly no nizarana ny tambin-karaman’ireo mpikarakara ny fifidianana nokaramain’ny Cenit tao amin’ny Distrika TanaIV. Tsy faly ireo mpahazo tombontsoa satria nihisatra ny fizarana. Ankoatra izay dia tsy nampoizin’izy ireo ilay tambiny 6.000Ar izay nambarany fa tsy mahaleo ny sarany.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.