Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 26 Oktobra 2013


Nifarana ny alakamisy 24 oktobra tamin’ny enina ora maraina ny fe-potoana ahazoana manao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Mbola nisy anefa komity mpanohana kandida iray namory olona sady namono omby tany Manantenina, Tolagnaro.

Misy fahitalavitra tsy miankina ao Toamasina mbola nandefa fanentanana hifidy kandida filoham-pirenena iray ny alakamisy 24 oktobra tamin’ny fito ora sy fahefany hariva, izay nahagaga ny maro.

Delegena kandida maro no sahirana omaly, tsy navelan’ny filohan’ny birao fandatsaham-bato niditra ny birao-pifidianana noho ny tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalana vita fanamarinana na teny aza ny «badge”.

Tokony hanaiky izay voka-pifidianana eo ny kandida rehetra, hoy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, raha avy nandatsa-bato teny amin’ny EPP Ambatobe niaraka tamin’ny vadiny omaly maraina.

Tao anatin’ny ora-nikija no nanatanterahan’ny mpifidy ny adidiny tany Tolagnaro omaly. Nisy fiantraikany tamin’ny fahavitrihan’ny olona hifidy anefa izany.

May ny biraom-pifidianana tany amin’ny fokontany Ambodiakondro distrikan’i Mandritsara. Vokatry ny doro tanety no nahatonga ny loza. Voatery nofoanana ny fifidianna tany an-toerana

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT