Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 24 Oktobra 2013


Tamin’ny fanambarana mialoha ny fifidianana nataon’ireo mpanara-maso vahiny avy amin’ny Vondrona afrikana no nilazan’izy ireo ny fisian’ny faneriterena nihatra tamin’ireo mpikirakira vaovao avy amin’ny haino aman-jerim-panjakana tamin’ny fitarainana nataon’ireo fikambanan’ny mpanao gazety.

Vita izay ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Ny tsikaritra tamin’ny faradoboka omaly dia misy ireo mpanentana no entanim-po loatra ka tsy dia mahafehy loatra ny teny aloaky ny vavany, hany ka nitsoaka moramora ny mpanotrona. Tamin’ny ankapobeny anefa dia nilamina ny teto an-drenivohitra fa ny fitohanan’ny fiarakodia no naharitra.

Manjaka ny tsy filaminana ao amin’ny Kaominin’i Benenitra noho ny asa ratsin’ny dahalo ka nitsoaka ireo mponina tamin’ireo tanàna manodidina toy ny ao Mitsinjo, Bevato sy Andranomainty. Ahiana ny tsy hahatanteraka ny fifidianana fihodinana voalohany any an-toerana.

Vonona ny hamerina  indray ireo  fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny Parlemanta malagasy sy ny parlemanta frantsay ireto delegasiona frantsay tonga mivahiny eto mandritra ny hadimiana ka nitsidika ny filohan’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita tetsy Anosikely omaly maraina.

Maro ireo olona mitaraina amin’ny tsy fahazoany ny kara-pifidianany. Misy ireo olona voasoratra ao amin’ny Fokontany am-polony taona ary manana karine ara-dalàna nefa tsy mahazo izy mivady. Ny zanany vao feno taona anefa nahazo. Toy izany koa any amin’ny tokantrano hafa, ny vadiny nahazo fa izy tsy nahazo.

1,5 tapitrisa ireo kilonga tsy mihazo ny sekoly ambaratonga voalohany ankehitriny, hoy ny Unicef. Ny taona 2008 anefa dia nahatratra 4 tapitrisa ireo zaza niditra tany an-tsekoly.

Efa mameno ny tsena ny manga ao Mahajanga. Tsy dia tsara anefa ny fotoam-piotazana tamin’ity, hoy ireo mpamboly sy mpanangona voankazo satria nihena be ny vokatra.

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT