Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 23 Oktobra 2013


Vonona amin’ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena hatao ny zoma hoavy izao ny Distrikan’Ambositra. Misy mpifidy voasoratra anarana miisa 86.700 ao amin’ity Distrika ity, birao fandatsaham-bato 296 mieli-patrana amin’ny Fokontany 292 sy Kaominina 23. Efa vita tamin’iny herinandro iny ny antsapaka amin’ny filaharan’ny kandida depiote ao amin’ny bileta tokana sy amin’ny takelakazo fametahana afisy ho azy 28 mianadahy kandida.

Anio alarobia no fanaovan-tsonia famatsiam-bola ilay tetikasa fanampiana ireo dingana fanatanterahana fifidianana eto Madagasikara eo amin’ny Repoblikan’i Korea sy ny PNUD eny amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana Andraharo.

Nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fihaonan’ny minisitry ny Teti-bola sy ny Sekretera jeneralin’ity ministera ity sy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita tokony ho natao omaly maraina ny mikasika ny raharaha BNI.

Ny faharoan’ny volana novambra no hiandrasana ny voka-pifidianana filoham-pirenena tsy ofisialy, hoy ny CENI-T.

Sokajim-bary miisa 6.800 no ananan’ny Fofifa, fikambanana manana traikefa manokana momba ny masomboly. Ny 800 amin’ireo dia azo volena amin’ireo faritry ny afovoan-tany.

Nahomby ny hetsika fanentanana nandritra ny herinandro natokana hizahana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Distrika 75 amin’ny 112 novinavinaina no voatsidika.

Ny 5% vehivavy Malagasy no tratran’ny fitsaharan’ny fadim-bolana mialoha ny fotoana. Manomboka eo amin’ny faha-35 taona izany amin’ny ankapobeny.

Fiarabe mpitatitra olona ho any Bekily no namono olona tampoka omaly maraina. Mbola variana tao ambanin’ny fiara ny mpanampy ilay mpamily no novelomin’ny mpamily ilay fiara ka potsitra tao ilay namany. Maty tsy tra-drano io.

Ny 10 septambra 2013 no navoaka ny didim-pitondrana fa andro tsy iasana fa andraisan-karama ny zoma 25 oktobra 2013. Andro fifidianana mantsy io. Maro anefa no tsy mahalala izany ny olom-pirenena, indrindra ireo mpiasa tsy miankina amin’ny fanjakana.

Mitaraina ny mponina any Miandrivazo fa mahatratra in-telo isan-kerinandro ny dahalo manafika any an-toerana. Ankoatra izay dia mafana ny andro any an-toerana mahatratra 30degre. Fotoana fiakaran’ny tsaramaso any an-toerana ka miakatra an-tanàna ny dahalo.

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT