Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 22 Oktobra 2013


Tsy maharaka ny tinady ny tolotra fanondranana lavanila, jirofo ary dipoavatra malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny ministeran’ny varotra. Momba ny dipoavatra manokana dia mananika ny 240.000 taonina ny tinady raha 1.700 taonina monja ny tolotra isan-taona.

Manamafy ny zotra anabakabaka misy eo amin’ny tanànan’i Saint-Denis La Réunion sy ny nosy Sainte Marie ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Zotra tokana isaky ny alahady izany nanomboka tamin’ity volana oktobra ity fa hitombo roa isan-kerinandro kosa izany manomboka ny 15 desambra dia ny alahady sy zoma.

Nanova fantsona iray eny Mandroseza ny orinasa Jirama izay nahatonga ny rano ho mavomavo eny anivon’ny tokantrano, hoy ny fanazavana azo. Madio kosa anefa ny rano fa mila apetraka minitra vitsy mialoha ny hisotroana azy.

Raha hahazo ny tambin-karamany ny sefom-pokontany sy ny lefiny dia mba mitaraina koa ireo mpitambola sy mpitantsoratra. Tsy nahazo ny azy koa izy ireo nandritra ny 7 volana. Nambaran’izy ireo fa mafy koa ny asany, indrindra amin’izao fifidianana izao.

Nisehoana hain-trano indray teny Andravoahangy ambodin’iMascar ny sabotsy hifoha ny alahady teo. Vokany, trano miisa 13 no rava ary entana maro toy ny kojakoja an-tokantrano sy  filana andavanandro no rava. Tsy mbola fantatra ny niavian’ny afo.

Renim-pianakaviana iray no teraka an-dalana teny akaikin’ny fiangonana iray teo Ampandrana. Raha ny filazan’ny nanatri-maso dia nirotsaka avy hatrany ny ranondohany ary nilatsaka ilay zaza. Zazalahy kely fahadimy amin’ny naterany izy io raha ny filazan-drainy izay monina any Andafiavaratra  Ambohitrarahaba.

 

 

 

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT