Tao Antsirabe no namaranan’ny kandidà Hajo Andrianainarivelo ny fampielezan-keviny tao Vakinankaratra ny ny sabotsy 19 oktobra teo. Nambarany fa laharam-pahalemana ho azy ny famerenana ny ankizy sy ny tanora eo amin’ny fianarana mba ahafahan’izy ireo miasa avy eo. Entanina sy antsoina ny mpandraharaha amin’ny famoronana asa, indrindra ho an’i Vakinankaratra izay faritra tena mamokatra sy be mponina.
Tontosa ny sabotsy 19 oktobra lasa teo ny antsapaka handaharana ireo kandidà miisa 29 hifaninana ho solombavambahoaka ho an’ny Distrikan’Antsirabe voalohany. Nifanaraka ny laharan’ny kandidàn’ny Antoko Avana tarihin’i Dô laharana faha 24 sy ny kandidàn’ny ankolafy Ravalomanana misy ny kandidà Michel Ambalavato laharana faha-25.
Ho fanomezana fahafaham-po ny besinimaro sy fitsinjovana koa ny fahefamividy dia lasa nasiana anaty tavoahangy plastika 35 sl tahaka ny coca cola sy ny XXL koa ny bonbon anglais sy caprice sodafruit. Natao ho an’ny mpianatra mihitsy ilay tavoahangy noho izy tafiditra anaty paosy ka sady mora entina no tsy manery kitapo.
Nitrangana hain-trano teny Ambodivona ny alin’ny sabotsy teo. Toeram-pivarotana kojakoja maro no nirehitra. Nalaky voafehy ny afo mba tsy hitatra tany amin’ny toby mpaninjara solika Total teo akaiky teo.
Nalefa mivantana tao amin’ny televiziona tsy miankina TV plus ny sabotsy hariva teo ny fampielezan-kevitr’i Rolland Ratsiraka. Notapahana tampoka ilay fandaharana raha vao nihira ilay “tatanta de mistyle” ry tempo gaigy. Nahafeno an’Antsombe ity kandida ity fa nanimba zavatra ny olona tonga tao.
In-telo niverina ny fahatapahan-jiro teny Anjezika II ny zoma teo. Rehefa niverina dia niakatra 380 volta. Vokany, maro ny fitaovana simba toy ny solosaina, tele, vata fampangatsiahana ... Nitaraina ireo nanana ny simba fa tsy nisy vokany. Raha tara iray andro anefa ny fandoavam-bola tonga dia tapaka, araka ny fitarainan’ny mpanjifa hatrany.
Caïus R sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.