Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013


Antoko politika efatra dia ny AME, MTS, Hasin’i Madagasikara ary ny ENINA no manana kaonty any amin’ny banky, araka ny tatitry ny SAMIFIN, izay sampana miady amin’ny famotsiam-bola.

Nahazo famatsiam-bola mitentina 400.000 euros avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ireo vondrom-pikambanan’ny fiarahamonim-pirenena mpanara-maso ny fifidianana Socle ahitana ny Acces Zon’Olombelona sy Kmf Cnoe.

Tsy ampodiana ireo mpianatra malagasy vatsian’ny fanjakana vola any ivelany, raha ny soso-kevitry ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana siantifika. Hahena ho 50% kosa ny vatsim-pianarana horaisin’izy ireo isam-bolana. Andrasana ny fankatoavana izany avy amin’ny filankevitry ny governemanta.

Mbola mandrava eto Madagasikara ny aretina pesta. Tranga manodidina ny 500 isan-taona no voaray ara-tarehimarika eto amintsika teo anelanelan’ny taona 2009 hatramin’ny 2013.

Niakatra ny salanisan’ireo ankizy mivarotena eto Madagasikara, hoy ireo fikambanana miaro azy ireo. Nohamafisin’ny Unicef fa nitombo ny tranga fampivarotan-tena ireo zaza tsy ampy taona tao anatin’ny dimy taonan’ny fitondrana tetezamita,

Notokanana omaly ny totohabato Razafindrazay miisa 416 mampitohy an’i Mahamasina sy Andohalo. Efa nampiasain’ny mponina izy io nanomboka tamin’ny fiandohan’ity volana oktobra ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT