Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 18 Oktobra 2013


Hifarana anio zoma 18 Oktobra rehefa naharitra hateloana ny Salon de l’Étudiant  andiany  faharoa tanterahina etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba.  Ny Novi Information no mikarakara ny hetsika izay marihina fa tena niavaka tsy toy ny mahazatra tokoa. Ankoatra ireo sekoly ambony eto an-toerana dia misy sekoly ambony avy atsy La Réunion sy Maurice mandray anjara amin’izany ka lalam-piofanana an-jatony no ampahafantarina ireo tanora mpianatra eny an-toerana.

Ny 02 sy ny 03 novambra ho avy izao indray no hankalazaina ny Oktoberfest na fetin’ny labiera, fomba nentin-dry zareo Alemana teto amintsika, folo taona lasa izay. Eny amin’ny zaridainan’ny Marais Masay Andranobevava  no hanatanterahana ny lanonana. Na dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza dia nanambara ny tompon’andraikitra fa efa mivonona amin’izany izy ireo ary efa milamina ihany koa ny resaka parking.

Hanao fivoriambe ao amin’ny kianja mitafon’i Soavita ny fikambanana “tsy misy miala aketo niany”, tarihan’Atoa Rakotomalala Henri na Riribe rahampitso sabotsy, handinihan’izy ireo ny asa vita sy ny momba ny fikambanana nandritra ny naha tany am-ponja ny filohany ka nahatonga ny fiparitahan’ireo mpikambana ary ny fanohizana ny hetsika nahatonga azy ireo nijoro nitaky ny fitsinjovana ireo tanora.

Tovolahy iray nitondra scooter no maty tsy tra-drano omaly tamin’ny 10ora maraina teny Saropody, nidona tamin’ny kamiao raha iny nisongona fiara iny. Nianjera ary dia mbola voahosin’ilay kamiao izy taorian’izay.

Misy mandrahona amin’ny SMS ny vaomieran’ny fifidianana. Ireo mpanampy ny Distrika ireo lasibatra ireo. Fandorana ny trano na famonoana ho faty no ataon’izy ireo.

 

Patty sy Rabeso

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT