Nomarihina tao Ampefy nandritra ny telo andro, nanomboka ny zoma 11 oktobra, ny «Fetin’ny Barahoa» andiany faharoa, nanasongadinana ny maha sarobidy ny barahoa, karazana trondro mpampiavaka ny farihin’Itasy satria manana ny toerana lehibe eo amin’ny mpizahatany ohatra ny fanjifana izany ary mahatonga azy ireo tsy maintsy mihazo ity faritra ity. Nisy ny karnavaly, fanentanana amin’ny alalan’ny loabary an-dasy, varotra fampirantiana, fialamboly ara-javakanto ary fifidianana tovovavy tsara sy tarehy mitondra ny anarana «Zazavavin-drano».
“Ny fahasalaman’ny saina sy ny zokiolona”, no lohahevitra iraisam-pirenena nankalazana ny andro eran-tany ho an’ny fikorontanan-tsaina tamin’ity taona 2013 ity. Nankalazaina tamin’ny endriky ny herinandron’ny fahasalamana izany ho antsika teto Madagasikara ka ny faritra Amoron’i Mania no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny alarobia 09 oktobra lasa teo. Tany Fandriana no ivon’ny fankalazana.
Miisa 957 ny voafonja ao Ambalatavoahangy hatry ny omaly. Efa namoahana didy ny 439 amin’ireo ka 425 ny lahy raha 14 ny vavy, miisa 450 ireo miandry fitsarana, ka 397 ny lahy raha 23 ny tsy ampy taona ary 28 ny vavy raha 01 ny tsy ampy taona.
Rado sy Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.