Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 15 Oktobra 2013


Ny alakamisy 10 oktobra lasa teo no nampahafantarana tamin’ny haino aman-jerim-panjakana ary nampahatsiahivana fa efa tapaka nandritra tamin’ny filan-kevitry ny governemanta tamin’ny fiandohan’ny taona 2013 ny maha-andro tsy fiasana nefa andraisana karama ny alatsinainy 14 oktobra 2013. Ny zava-misy anefa omaly dia betsaka ireo tsy nahalala ity fanapahan-kevitry ny fahefana mpanatanteraka efa nolaniana volana maro lasa ity. Nisy tamin’ireo mpiasa sy mpianatra no efa teny an-dalana na efa tany amin’ny toeram-pianarana sy toeram-piasana mihitsy vao niverina namonjy ny akany ka samy nanararaotra ity andro fialan-tsasatra ity.

Nitrangana hain-trano  namoizana ain’olona roa tao amin’ny zanabohitra Abatoara, Fokontany Avaradrova Aravatra, Ambatondrazaka ny alin’ny sabotsy teo. Trano iray misy olona efa-mianaka no nirehitra. Efa niledaka ny afo vao taitra ny manodidina. Zaza 7 taona maty tsy tra-drano, ramatoa 40 taona maty ny alahady na efa nialana nenina aza. Ny roa hafa nisy may saingy tsy misy ahiana.

Notontosaina tao Antsirabe ny 07 ka hatramin’ny 11 oktobra lasa teo ny Atrikasam-paritra nanombanana ny momba ny fampiasana ny voly rakotra izay niarahan’ny FOFIFA sy ny tetikasa MoETH nanatontosa. Tantsaha mpamokatra avy amin’ireo faritra roa dia i Vakinankaratra sy Alaotra Mangoro no nifamotoana tamin’izany niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Araka ny fanazavan’ny kandida Dadafara dia misy andiana mpanao politika sy vahiny ary mpitondra ny tetetzamita hanakarama kandida hiala an-daharana ato ho ato mba hanakanana ny fifidianana tsy hiroso, ka ny endriky fanomanana sy ny lisi-pifidianana no fomba hanakorontanana.

Mitaraina ny mpanjifan’ny Jirama amin’iny faritra Ambohimanarina sy Talatamaty ary Analamahitsy iny noho ny fatahapan’ny jiro matetika nefa maharitra. Sady manimba fitaovana, sakafo tehirizina, no manimba ny fihariana izany.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT