Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 12 Oktobra 2013


Nankalazaina omaly 11 oktobra ny andro manerantany ho an’ny zazavavy. Teny amin’ny IEP Ampandrana no nanamarihana izany, fotoana iray niarahana tamin’ny skoto zazavavy. Nanentana ny rehetra ireto farany mba samy handray ny andraikiny ka hametraka amin’ny toerany ny tanora zazavavy. Ho an-dRafolisisoa, izay mpiaro ny zon’olombelona dia nisy ny fanentanana manokana natao ho an’ny ray aman-dreny mba hampitovy lanja ny fitaizana ny zazavavy sy ny zazalahy.

 

Niravona ihany ny disadisa goavana nisy teo amin’ireo  mpamboly vary manao ampahany tao Antogomenabevary sy ireo Sinoa ao amin’ny orinasa mpanao siramamy Ouest Sucre Namakia, Distrikan’i Mitsinjo. Niainga teo amin’ny tsy fifanarahana eo amin’ny tanimbary mirefy 1 552 hektara tantanan’ny Sinoa ary iasan’ny mpamboly vary manao ampahany miisa 2000 eo ao Antongomenabevary no fototry ny disadisa.

Fantatra izao fa hanohana ny kandida Camille Vital ny Komity Manohana ny Demokrasia na ny KMD tarihin'ny filohany Raveloson Louis de Gonzague. Nambaran'ity farany fa io kandida io no hitan'izy ireo fa afaka hanavotra ny firenena amin’izao krizy lalim-paka lalovany izao. Any Ambatondrazaka no hanohizan'izy ireo ny fihaonany amin'ny vahoaka manomboka amin'ity faran'ny herinandro ity raha efa nosantariny tany Manjakandriana izany.

 

Ny tanànan’i Betafo no nanohizan’ny Kandida Edgard Razafindravahy ny fampahafantarana ny fandaharan’asany ny zoma 11 oktobra 2013. Nanakoako nanerana ny tanàna ny hira faneva “isika rehetra tsy maintsy mandresy”. Nitorajofo i Betafo. Nisy mihitsy moa ny niloa-bava fa “tsy nisy kandida nahavory olona tahak’izao hatramin’ny nisian’ny fampielezan-kevitra”.

 

Vokatry ny ranon’orana roa andro teto an-drenivohitra dia tsentsina koa ny teny Ambalavao Isotry. Vokany, tondraka hatrany an-tokotany sahady ny rano, efa hatrany an-trano aza ny sasany. Araka ny fanadihadiana dia ny mponina ihany no manary fako amin’ny lakandrano ka izay mandrora mitsilany izy ireo.

 

Nitatra ho 10 volana ny taom-pianarana teo aloha. Ny antony, raha ny fanamarihana dia ny fitolomana ho an’ireo mpampianatra Fram. Amin’ity dia haverina 9 volana izay hatomboka ny volana oktobra ary hifarana ny jolay ny taom-pianarana 2013-2014.

 

Lasa aloha ny mampisara-taona tamin’ity taona ity, araka ny ny tatitry ny mpilaza ny toetr’andro. Nisy fiovana ratsy aza satria nanavandra sady mafy fiavy ilay izy tamin’ny toerana maro teto amin’ny firenena na dia tsy nanorana aza. Tsy vitan’izay fa efa nikotroka sy nitselatra ihany koa.

 

JD sy Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT