Manana fahasahiranana ara-tsaina ny 39%-n’ny Malagasy, araka ny fanadihadiana nataon’ny ministeran’ny fahasalamana teo anivon’ny faritra roa teto amin’ny firenena. Nandritra ny fankalazana maneran-tany momba ny fahasalamana ara-tsaina omaly tany Fandriana no nilazana izany. Manodidina ny 100 isan-taona ireo olona miditra eny amin’ny hopitaly mitsabo aretin-tsaina eny Anjanamasina.
Azo jifaina eny an-tsena ankehitriny ny zava-pisotro Gold amin’ny tavoahangy mirefy 50 Cl. Telo volana taorian’ny nampahafantarana ny mpanjifa ny fisian’ity zava-pisotro iray ity no nisian’izany, izay marihina fa mitovy loko amin’ny tavoahangina Gold teo aloha ihany ny marika aminy.
Manameloka tanteraka ny fisamborana tsy marim-pototra ireo mpanao gazety roa voarohirohy tamin’ny zava-nitranga tany Nosy Be ny Reporters Sans frontières. Tsy azo ampiasaina amin’ny raharaham-pitsarana ny mpikirakira vaovao ary manohintohina ny fahalalahan’ny asan’ny fampahalalam-baovao ny toe-javatra tahaka izao, hoy ny RSF.
Nandrangaranga ny hitokona ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony raha tsy mahafa-po azy ireo ny valin’ny fitakiana mikasika ny fandoavana ireo ora fanampiny tamin’ny taom-pianarana 2011-2012 avy amin’ireo tompon’andraikitra. Hifarana anio ny fe-potoana nomen’izy ireo ny fitondram-panjakana.
Manodidina ny 1% isan-taona monja ny mpanome ra eto Madagasikara. Feno araka ny tokony ho izy anefa ny filana, hoy ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana. Mpanome ra 1 ao anatin’ny mponina 1.000 no hita eto amintsika.
Mbola hitohy ny filatsahan’ny orana amin’ity herinandro ity, hoy ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana mampisara-taona isika izao raha amin’ny tapaky ny volana novambra kosa ny fotoam-pahavaratra.
Misongadina ireo kojakojan-dakozia sy ireo haingon-trano ao anatin’ilay hetsika fampirantiana momba ireo vokatra egyptiana andiany faha-7 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjatahantena eny Mahamasina nanomboka omaly.
Miferinaina ny mponina any Besalampy faritra Melaky amin’izao fotoana izao. Miakatra an-tanàna mantsy ny voay any an-toerana. Miha ritra mantsy ny renirano ka miakatra an-tanety izy ireo. Toerana misy voay iny faritra iny.
Maro sahady ny toerana ahitana rano mihandrona eto an-drenivohitra vokatry ny orana roa alina izay. Anisan’izany ny eny Andavamamba Anjezika I. Ny antony dia ny fisian’ny trano miorina manoloana ny lakandrano, araka ny filazan’ny mponina eny an-toerana. Ao koa ireo fako mihandrona ka tototra ny lakandrano.
Nanararaotra nanao fampielezan-kevitra tetsy amin’ny tsenan’i Mahamasina sy Anosibe omaly ny kandida lah-34. Tsy dia naharototra ny olona ilay izy noho ny fahasahiranana amin’ny varotra nataony. Ny sasany koa variana tamin-dRajao sy ny fanentanany.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.