*Vahoaka niisa 186 no noroahina tamin’ny tany famboleny any amin’ny fokontanin’Ambohitrarivo any amin’ny distrikan’Amparafaravola ao anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro sompitr’i Madagasikara.
*Hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny talata 15 oktobra 2013 ho avy izao ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Filan-kevitra ambonin’ny tetezamita eny amin’ny Lapa maitso Anosikely.
*Lasan’ireo teratany amerikanina James Rothman sy Randy Schekman miaraka amin’ilay alemà Thomas Südhof ny loka Nobel Médecine 2013.
*Mahatratra 4,5 tapitrisa sahady ankehitriny ny tinady amin’ny tapakilan’ny Mondial 2014 hotanterahana any Brésil izay tafiditra amin’ny famandrihana dingana voalohany. Ny 3,4 tapitrisa na 77% amin’ireo dia tinady brezilianina daholo raha 223.686 sy 175.122 kosa ireo toerana nofandrihan-dry zareo arzantina sy amerikanina.
*Hanomboka anio alarobia 09 oktobra 2013 ny fanontàna ireo kara-pifidianan’ny mpifidy raha tsy misy ny fiovana. Nifarana omaly kosa ny lisi-pifidianana ofisialy.
12.000Ar ny vola aloan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny Ceg eny Alakamisy Fenoarivo. Mahatratra 12.000Ar koa ny saram-pisoratana anarana. Tsy mbola miditra kosa ny mpianatra ao amin’ny Lycée noho ny tsy fahavitan’ny fotodrafitrasa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.