Actualités

Tapatapany


  • Talata 08 Oktobra 2013


*Nanainga omaly maraina hiatrika ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena any Japon mikasika ny fampiasana merkiora sy ireo voka-dratsiny ara-tsimika ny Praiminisitra sady minisitry ny tontolo iainana mpisolo toerana Omer Beriziky ao anatin’ny fiatrehan’ny Malagasy ny fampielezan-kevitra.   

*Efa tonga eto amintsika hatramin’ny faran’ny herinandro ireo biletà tokana miisa 9 tapitrisa hampisaina amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Nanomboka omaly ny fitsinjarana azy ireo eny anivon’ireo distrika raha handrasana farafahatarany amin’io herinandro ambony io ny lisitry ny faran’ireo mpifidy.

*Nanambara ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Atitany, Rakotonarivo Thierry,fa haka fepetra hentitra amin’ireo kandida mampiasa ireo fitaovana, fahefana ary volam-bahoaka amin’ny fampielezan-kevitra. Toraka izany koa ny mikasika ny fampiasana ireo mpiasam-bahoaka.

*Niparitaka manerana ireo faritra 22 manerana ny Nosy nanomboka omaly ireo iraka mpanara-maso ny fizotry ny fifidianana avy amin’ny Vondrona eoropeanina. 44 no efa eto an-toerana ankehitriny fa hiampy 50 ireo mialoha ny fifidianana.

*Nanapa-kevitra ny hanokatra fanadihadiana mikasika ilay tranga mampalahelo niseho tany Nosy Be ny fitsarana frantsay. Ny mpanao famotorana ao Bobigny no voatendry hisahana ity raharaha ity.

*Nakipaky ny mpanao fampielezankevitra mpanohana ny kandidà Hery vaovao ny fefy hazo tao amin’ny kianjan’i Moramanga tamin’ny faran’ny herinandro teo nentin’izy ireo nampidirana ny fiarabe mpitondra fanamafisam-peo tsy tafiditra tamin’ny vavahady ary tsy mbola tafaverina amin’ny toerana omaly alatsinainy.

17 andro sisa dia higadona ny fifidianana filoham-pirenena. Hatramin’izao anefa dia tsy misy ny fampahafantarana vato tokana eny amin’ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano. Tsy dia alavitra loatra ny renivohitra anefa izy io. Azo antoka fa ny any amin’ny toerana ambanivohitra maro dia tsy hisy fampahafantarana mihitsy na ho tonga aza ny fifidianana.

Amin’ny herinandro ambony io no ho azo ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eto an-drenivohitra raha ny filazan’ny tomponandraikitry fampianarana ambaratonga ambony. Telo volana miampy fampitaovana 66000Ar izy io. Samy hahazo ny isam-paritany fa tsy hitovy ny vola azo araka ny fandaminana.

Tratran’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny distrikan’i Manja faritra Menabe Toliara i Dadakely. Jiolahy mpampihorohoro sy malaza ratsy any an-toerana izy io. Omaly alatsinainy 7 oktobra no nahazoan’ny zandary azy tao an-tampon-tanànan’i Manja, fiaraha-miasany tamin’ny polisim-pirenena any an-toerana.

 

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT