Actualités

Tapatapany


  • Zoma 04 Oktobra 2013


Nanomboka tamin’ny voalohan’ny volana ka hatramin’ny 20 oktobra ny fankalazana ny andro maneran-tany momba ny fahitana izay miompana amin’ny lohahevitra «ny maha iray ny fahasalaman’ny fahitana». Fanamby napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana nanomboka tamin’ny 1999 ary tafiditra ao anatin’ilay fandaharan’asa «vina 2020 : zo ho amin’ny fahitana» ny hamongotra ny fahajambana azo sorohana ao anatin’io fe-potoana io.

 

Nanomboka omaly tamin’ny fomba ofisialy teny Ankorondrano ny iraka tanterahan’ireo mpanara-maso vahiny miisa 110 hijery ny fizotry ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina. Mizara roa mazava tsara izy ireo dia ireo mpanara-maso haharitra miisa 46 sy ireo ao anatin’ny fotoana fohy miisa 50 miampy ireo ekipa mpitarika ahitana olona 10. Hifanampy amin’ireo mpanara-maso teratany Malagasy hatrany amin’ny 5.000 izy ireo.

Am-perinasa ny trano fandraisana ireo olona mpanohana QG ny  kandida Edgard Razafindravahy ao Ambositra. Ny CT Rakotomandimby Désiré izay sady mpandrindram-paritra ny antoko TGV ao Amoron’i Mania ary kandida solombavambahoaka, no mitarika ny fanohanana ity kandida filoham-pirenena ity ao Ambositra.

Vatsim-pianarana roa volana no efa vonona ao amin’ny tompon’andraikitry ny famoaham-bola eny amin’ny oniversiten’Antananarivo amin’izao fotoana izao. Afaka nandray izany nanomboka omaly ireo mpianatra saingy tsy nahafa-po azy ireo izany ka mbola hitohy aloha ny fitokonana.

 

Hanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe ireo mpikambana eo anivon’ny sendika Sempama rahampitso sabotsy eny Antsahamaina Mahitsy. Hiady hevitra mikasika ny hoavin’ny fanabeazana sy ny ho tohin’ny fitakiana mikasika ny fanapahana karama nataon’ny Ministera mpiahy taorian’ny fitokonana tamin’ny taona 2012 izy ireo.

 

Anaovana antsojay hatrany ny kandida Jean Louis Robinson amin’ny fanaovany fampielezan-kevitra. Itakiana taratasy fanamarihana maha kandida azy ireo mpanao ny fampielezakeviny isaka ny firaisana eto an-drenivohitra. Nambaran’ireo tomponadraikitra fa ny azy ihany no atao izany.

Mpifankatia nampiaraka teny Bevalala afak’omaly no lasibatry ny jiolahy miisa efatra. Vola 3.000Ar sy finday roa ary ny kiraron’ilay tovolahy no lasany. Vetivety dia tratra izy ireo noho ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Mbola tratra teny aminy ny antsy nandrahonany ireto traboina tsy fidiny

Ramano F sy Rabeso

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT