Actualités

Tapatapany


  • Alakamisy 03 Oktobra 2013


Efa lasa tanteraka ny volon’andro ririnina eto Madagasikara ary mizotra any amin’ny vanim-potoana mampisara-taona isika izao, hoy ny sampandraharaha mpijery ny toetr’andro eny Ampandrianomby. Ho ratsy ny andro amin’ity herinandro ity ary mety hanorana mihitsy aza izany ho an’ny eto an-drenivohitra sy ny faritr’i Vakinankaratra sy Amoron’i Mania.

 

Ny 14 hatramin’ny 18 oktobra 2013 no hankalazaina ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza eto Madagasikara. Fanentanana maro no hanamarihana ireo hetsika eny amin’ireo tobim-pahasalamana manerana ny nosy toy ny vaksiny sy ny fizarana ireo fanafody iadiana amin’ireo valanaretina.

 

Mikasika ny fitokonan’ny mpianatra eny Ankatso dia nanambara ny CST Naivo Raholdina fa hampiantso ny Minisitra tompon’andraikitra izy ireo mandritra ny fivoriana hotanterahin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita mba hahafahan’io tompon’andraiki-panjakana io manomana hatrany ny vatsim-pianaran’ny mpianatra fa tsy hiandry fitokonana vao hitady vahaolana.

 

Hotanterahana any Bruxelles, Belzika ny 7 hatramin’ny 11 oktobra 2013 izao ny fihaonana faha-12n’ireo komitim-barotry ny ministera iombonan’ny ACP-UE sy ny fivoriana faha-17-n’ny komitim-barotry ny ACP. Handray anjara amin’izany ny delegasiona Malagasy.

 

Tsy mifampatoky intsony ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana raha ny zava-misy tamin’ity herinandro ity. Nifampihantsy ny mponina sy ny polisy tany Amboasary Atsimo ny alatsinainy teo. Nisy ny naratra tamin’izany. Teto an-drenivohitra, ny alatsinainy hatramin’ny omaly dia mbola mifanenjana ny mpianatra sy ny Emoreg ary nisy mpianatra voasambotra hatrany. Omaly alarobia koa dia nifanehitra ny fokonolona sy ny zandary tany Nosy be ka nahafatesana olona.

Misy manary fako ny ranon’Andranotapahina Mandriambero. Efa mivangongo hita ety ivelany mihitsy ilay izy. Ny mponina eny an-toerana ihany no mandrora mitsilany, araka ny fanazavana. Sy eny ihany fa ny ranon’i mandroseza ihany koa. Efa voretra ny mponina noho ny gaboraraka. 

 

Ramano F sy Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT