Efa ho herinandro izay no niatombohan’ny fampielezan-kevitra. Ny tsikaritra anefa dia tsy ahitana ny sarin’ireo hilatsaka hofidiana na iray aza eny amin’ny takelaka natokana hipetrahan’izy ireny. Ny tamboho sy ny andrin-jiron’ny Jirama no misolitiky ny taratasy. Saika rovitra daholo anefa izy ireny. Misy ny mikarama mandrovitra fotsiny.
Nivadika nangatsiaka sy nandrivotra ny andro tao ho ao. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fizaran-taona isika raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetr’andro. Hivolon-dririnina izy mandritra ny 5 andro, hitohy ho oram-baratra izany ary hiverina hafana amin’izay. Ny volana novambra vao hanomboka ny fahavaratra.
Milaza ny kandida Camille Vital fa nisy namana vahiny (?) nanome azy 4x4 miisa 350 hampiasainy hanaovana fampielezan-kevitra ary hatolotra ny mpitandro ny filaminana sy Distrika tsy manana fiara aorian’izay. Mbola mihitsoka ao amin’ny seranan-tsamboni Toamasina anefa ireo 4x4 ireo ankehitriny. Tsy nambarany koa ny tambin’ny fanomezana.
Andrasana rahampitso alakamisy 03 oktobra ny famoahan’ny CENI-T ny lisitr’ireo kandida solombavambahoaka nahafeno fepetra. Mety mbola hiampy ny lisitra satria misy ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana sasany mbola miandry ny fanapahan-kevitry ny CES.
Fotoan-dehibe ho an’ny mpino katôlika maneran-tany ny 27 aprily 2014. Hotanterahina amin’io fotoana ny lanonana hanandratana ho olomasina ny Papa Joany faha-23 sy ny Papa Joany Paoly faha-2.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.