Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 01 Oktobra 2013


Nahazo teknisianina ambony momba ny fanatanjahantena indray ny Faritra Vakinankaratra. Miisa 4 avy hatrany ireto manampahaizana ambony ireto izay miasa ao amin’ny foibem-paritry ny fanatanjahantena ao Antsirabe. Anisan’ny asa miandry azy ireo ny fampiakarana ny lentan’ny fanantanjahantena eny ifotony. Hanetsika manontolo ny taranja mahaliana ny rehetra no tanjona ary famelomana indray ireo taranja izay somary natoritory.

Manjaka tanteraka ny doro tanety any amin’iny Faritr’Itasy iny miainga aty Arivonimamo mandalo an’i Miarinarivo sy Ampefy ary tafapaka hatrany Soavinandriana. Hatezeran’ny mponina noho ny zava-misy iainany eto amin’ny firenena no mahatonga ireny, hoy ny fanamarihan’ireo tompon-tany.

Hozaraina amin’ny alarobia 4 oktobra izao ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ambaratonga ambony raha ny ny filazan’ny sekretera jeneralin’ny fampianarana ambony. Nambarany fa efa tao ny vola fa ny fikarakarana ny taratasy isan-karazany no nahatonga ny fahatarana. Hatsahatra aloha izany ny fihetsiketsehan’ny mpianatra.

Hitafa amin’ny mpanao gazety ao amin'ny restaurant Bon Accueil Ambatonakanga i Taitsy Gilbert ny talata 1 oktobra, manomboka amin'ny 10 ora maraina. Ny toe-draharaha any Atsimon'ny Nosy no horesahiny.

Hotontosaina ny 5 oktobra 2013 ao amin’ny kianja Lycée technique Antanambao V Toamasina ny famaranana ny “Tournoi Grassroots” andiany faha-3 any amin’ity toerana ity sy ny Festival Grassroots “pour le foot-ball sans drogue”. Kilonga lahy sy vavy 6 ka hatramin’ny 12 taona no handrasana handray anjara amin’izany

Omaly alatsinainy no nanomboka ny fisoratana anarana ho an’ny mpianatra EPP. Raha ny filazan’ny tomponandraikitra iray dia nitombo be ireo mamonjy ny sekolim-panjakana. Ny antony, raha ny filazany dia tsy maharaka saram-pianarana any amin’ny tsy miankina intsony ny ray aman-dreny. Ny alatsinainy 7 oktobra izao no hiditra ny mpianatra.

Nagonin’i Rabeso

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT