Nomena lanjany manokana ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra mandritra ny “Grande Braderie de Madagascar” andiany fahatelo amin’ity taona ity, hoy ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny Madavision Andrianasolo Hery. Fantatra anefa fa nihena ny isan’ny mpitsidika tamin’ity andiany vaovao ity raha mihoatra ny tamin’ny taon-dasa noho ny antony maro. Tena goavana amin’izany ohatra ny zava-misy lalovan’ny eto amin’ny firenena ankehitriny.
Niseho amin’ny endriny vaovao, amin’ny tavoahangy 35 sl ihany koa ny zava-pisotro XXL taorian’ny zava-pisotro coca cola kely. Miloko mavo izy io, azo hatao anaty paosy tsara ho an’ireo zatra izany, indrindra amin’izao andro mafana izao. Omaly no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy ity vokatra vaovaon’ny orinasa Star ity teny amin’ny Jumbo Score Ankorondrano.
Mahatratra 14.000 ireo Malagasy tonga taona nefa tsy voasoratra anaty lisi-pifidianana any amin’ny Distrikan’i Farafangana ary Kaominina miisa 14 no voakasik’io, hoy i Mektoub El Camille, Sekretera jeneralin’ny antoko Kintana. Misy kandida filoham-pirenena anefa ny zanak’iny Faritra iny, hoy izy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.