Actualités

Tapatapany


  • Zoma 27 Septambra 2013


 

 Nampatsiahy ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra fa ireo toerana nomena malalaka hamoriam-bahoaka mandritra ny fampielezan-kevitra dia tsy mila fangatahana ny fampiasana azy. Ilaina kosa ny fampahafantarana mialoha ny prefektoran’ny polisy eto Antananarivo.

 Misokatra manomboka izao ny birao manokana eny anivon’ireo seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eto Madagasikara. Ity sampan’asa vonjimaika ity dia natao hikarakara ireo taratasy sy ny lafiny fandriampahalemana ho an’ireo mpanara-maso vahiny hijery fizotry ny fifidianana eto amintsika.

 “Inona marina ny fahefan’ny fokonolona?” no lohahevitry ny famelabelarana arahina adihevitra karakarain’ny fikambanana Oscar sy Fimafom anio zoma 27 septambra 2013 mitataovovonana eny amin’ny Green University. Handray anjara amin’izany ny fikambanan’ireo mpahay lalàna Fanonga, ny Mihaavo ary ny Alliance Voahary Gasy.

 Ny 28 septambra no andro maneran-tany iadiana amin’ny haromotana. Hisy ny fanentanana amin’ireo haino aman-jery hanamarihana izany mandritra io fotoana io. Ny sabotsy 4 oktobra 2013 kosa vao hankalaza izany isika eto Madagasikara ka ny tanànan’Antsirabe no hampiantrano ny hetsika.

Areti-mandoza mananontanona eto amintsika ny aretin’ny tsy fatomombanan’ny sela na drepanocytose. Tsy maharitra 46 taona ny olona voany ary ny 85%-n’ny zaza di atsy manana fanantenana. Mahatratra telo tapitrisa ariaryisam-bolana ny vidin’ny fanafody

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT