Hifarana ny zoma 27 septambra ny fanaterana antontan-taratasy hidirana ao amin’ny sekoly manofana amin’ny fizahantany ao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga. Ny alatsinainy 30 septambra sy talata 01 oktobra ny fifaninanana an-tsoratra sy am-bava. Betsaka ireo tombontsoa azon’ny mpianatra manovo fahalalana ao.
Nanomboka ny alatsinainy 23 hatramin’ny sabotsy 28 septambra ilay hetsika “Herinandron’ny fiarahana” karakarain’ny Orange Solidarité. Tafiditra ao anatin’izany ny fitondrana ireo zaza marary eny amin’ny toeram-pitsaboana sy ny fizarana ireo kojakoja sy fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy tena mila izany. Tanjona amin’ny hetsika ny fanampiana ny mpiara-monina ho fampandrosoana ny firenena.
Anjaran’ny Alliance Française ao Antsiranana indray ny hampiantrano ilay tantara an-tsehatra an-kira notontosain’i Henri Randrianierenana mitondra ny lohateny hoe «Waouw» ny sabotsy 28 septambra 2013 amin’ny 6 ora hariva. Ho fantatry ny mponina ao an-toerana amin’io ny tantaran’i Ibonia izay malaza eto Madagasikara.
Efa nihatra nanomboka tamin’ny taom-pianarana lasa iny ny politika «Fanabeazana ho an’ny rehetra» ho an’ny fari-piadidim-pampianarana Toamasina I. Ankizy miisa 9, 6 hatramin’ny 16 taona, manana fahasembanana no niatrika ny taom-pianarana 2012-2013.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.