Nifarana ny alatsinainy 23 septambra lasa teo ny famaranana ny lisi-pifidianana tena izy. Mbola mitohy kosa ny hetsika fanomezana kara-panondro maimaimpoana mba hanana azy io daholo ireo mpifidy mandritra ny fandatsaham-bato, araka ny toromarika nomen’ny filohan’ny Tetezamita ireo lehiben’ny distrika izay miandraikitra mivantana ny fikirakirana ny hoenti-manana izany.
Tsy mbola voatendry hatramin’izao ny hisolo-toerana ny Filohan’ny delegasiona manokana Antananarivo renivohitra. Nanambara kosa anefa ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Atitany fa andraikitr’ity departemanta ity ny manendry izany miaraka amin’ireo mpanolotsaina miisa roa aorian’ny tolo-kevitra.
Nisokatra omaly alina ny adihevitra amin’ireo kandida filoham-pirenena ao amin’ny fahitalavi-panjakana. Nifanatrika voalohany tamin’izany Sylvain Rabetsaroana sy Martin Randriamampionona.
Nahitsy ny fitenin’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Leonidas Tezapsidis fa miankina tanteraka amin’ireo vondrona nanao sonia ny tondrozotra ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana fa tsy misy idiran’ny fianakaviambe Iraisam-pirenena.
Nanentana ireo lehiben’ny Distrika rehetra manerana ny Nosy ny tompon’andraikitry ny Ministeran’ny Atitany mba hamoaka faran’izay haingana ireo toerana eo ambany fiadidian’izy ireo azo hamoriana vahoaka mandritra izao fampielezan-kevitra izao.
Notontosaina omaly manerana ny nosy ny fanadinana CAP (certificat d’aptitude pédagogique). Diplaoma ahafahana miditra ho mpiasam-panjakana izy io ary takiana amin’ny fidirana ho mpampianatra. Hifarana anio ny fanadinana. Navondrona etsy amin’ny CEG Antanimena ny an’ny DREN Analamanga izay miisa 447 ary 56 no tsy tonga.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.