Araka ny toromarika nomen’ny filoha Marc Ravalomanana tany Brickaville tsy ela akory izay, dia nandray andraikitra ireo parlemantera any amin’ny Faritr’i Boeny notarihan’ny MCT Patrice sy MCT Sacra. Nanangana niaraka tamin’ny solontenan’ny antoko Avana, ny Dr Nirina ny Komity Mpanohana ny Kandidà Robinson Jean Louis any an-toerana. Tao amin’ny hotely Kanto no nanatanterahana izany ny faran’ny herinandro teo ka lany hitarika azy ny MCT Patrice.
Tandindomin-doza ny ny tetezana ao Ambondromamy Maevatanana. Manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana ankehitriny ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-4 iny mba hijery akaiky ity fahasimbana ity sao hitera-doza izy io raha tsy voajery malaky.
Mahatratra 400 ireo mpiasa any Liban no mangataka ny hody eto an-toerana noho ny fampijaliana ataon’ireo mpampiasa azy. Ny any Koweit sy Arabia Saodita no tena tia setrasetra, araka ny tatitra. Araka ny fanamarihana dia efa misy dimy ireo migadra noho ny tsy firaharahain’ny mpampiasa azy.
Any New York miatrika ny fivoriambe faha-68 ny Firenena Mikambana ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Ny alin’ny 22 septambra no nahatongavany any.
Mitaky ny handoavana vatsimpianarana telo volana miampy ny fampitaovana ireo mpianatra eny Anakatso. Hatramin’ny faran’ny volana izao no iandrasan’izy ireo izany.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.