Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 23 Septambra 2013


Namoaka fanambarana ny AREMA miaraka amin’i Didier Ratsiraka, fa tsy afaka hanohana fanomanam-pifidianana baranahiny toy izao, miainga amin’ny fifidianana filoham-pirenena mivaralila. Ny AREMA koa dia tsy manohana kandida, na iza na iza, izay mirotsaka amin’izao fifidianana iharan’ny tsindrin’ireo vahiny izao. Voalaza koa fa Atoa Vaovao Benjamin sy Ralaidovy Samuel dia tsy ao anatin’ireo mpitantana ny AREMA intsony, ary tsy manana zo mihintsy hiteny amin’ny anaran'ny AREMA.

 

24 ora mialoha ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra, tsy mbola ahitana ireo takelakazo na tabilao mijoro hametahana filazana sy afisy ho an’ireo kandida hifananinana amin’ny fifidianana filoha-pirenena ho avy. Raha tokony ho tonga 48ora eny amin’ny CENI-T koa aza ny fampielezan-kevitry ny kandida, maharitra 3’30” mialoha ny handefasana azy amin’ny RNM sy TVM dia mbola kandida 6 amin’ny 33 no nahatonga izany teny alarobia omaly hariva tamin’ny enina ora.

 

Sabotsy Namehana, Ambohimanambola, Antsiranana ary Mahajanga no notsidihan’i Hery Rajaonarimampianina ny faran’ny herinandro teo. Tsy arakaraky ny fanomanana sy ny fandaniana nataony ny olona nanoina ny fanasany tao Antsiranana. Naleon’ny olona nijery Barinjaka tao amin’ny Stade.

 

Taorian’Alaotra Mangoro sy tany amin’ny faritra SAVA, dia tao Vohémar ny kandidan’ny antoko TGV Edgard Razafindravahy omaly, no nanohy ny fitsidiham-paritra fampahafantarana ny tenany sy fanentanana ny mpifidy ho avy hanefa ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy amin’ny 25 oktobra izao.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT