Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 21 Septambra 2013


Hotontosaina ao amin’ny hotely Kanto Mahajanga anio ny fivoriana fananganana ny komity mpanohana ny kandidà Jean Louis Robinson handraisan’ny hery mpanohana ny  filoha Marc Ravalomanana ao Boeny manontolo izay ho tarihan’ny Dr Randrianandrasana Patrice. Efa vonona i Mahajanga handray ny kandidà natolotr’i Dada, hoy izy, ka tongava malaky.

Mpilatsaka an-tsitrapo vaovao miisa 29 mianadahy no nanao fianianana teo ambany fitarihan’Atoa Eric Wong, Mpiandraiki-draharaha ao amin’ny Masoivoho Amerikanina ny zoma 20 septambra tao amin’ny foibe fiofanana an’ny Corps de la Paix any Mantasoa. Hiasa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ireo mpiofana nanao ny fianianana ireo.

Hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 25-26-27-28-29 septambra 2013 ho avy izao ny hetsika ara-barotra «La Grande Braderie» andiany faha-3 amin’ity taona ity. Hiompana tanteraka amin’ny fidiran’ny mpianatra ny hetsika. Hisy, araka izany, ireo fitaovana rehetra ilaina manodidina ny fampidirana mpianatra eny an-toerana.

Toeram-pivarotana telo, trano fianarana iray ary tranon’olon-tsotra iray no indray nasesin’ny jiolahy mpamaky trano ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teny Marobiby Ambohidrapeto, nahaverena vola roa tapitrisa Ariary teo sy finday. Dimilahy nitondra basy vita gasy sy zava-maranitra no nanafika.

Ho tapaka ny ampahan-dalana eto an-drenivohitra anio maraina. Ny dia an-tongotra karakarain’ny Plate forme des femmes de l’ocean Indien no antony. Manomboka eo amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy izany, saint Michel Amparibe, mifarana eo amin’ny kianjaben’i Mahamasina.

Natao teny Ivato omaly zoma ny fanokafana ofisialy ny ady amin’ny valala. Nambaran’ny minisitra fa vola tsy averina io fanampiana nomen’ny FAO io. Ny faritra andrefana no hanombohana ny hetsika, mandalo any afovoany andrefana ary miafara any atsimo.

JD sy Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT