Mba ahafahana mampiakatra ny fari-piainana sy mampivoatra ny fiainan’ny mponina izay tsy afaka mpianatra an-tsekoly intsony ankehitriny, tsy afaka mitsabo tena, tsy afaka misotra rano madio dia hamory an’ireo lehibena Fokontany 9 ao amin’ny Kaominina Mandrosoa ny sabotsy 21 septambra ny fikambanana ACDC 106 (Fikambanana Kristianina Fampivoarana ny Kaominin’i Mandrosoa Andramasina) tarihan’ny filohany Ranarison Synèse handrafitra tetikasa fampandrosoana vaovao.
Mpitarika sarety tanana indray no maty teo amoron-dalana omaly maraina teny Anosizato Atsinanana. Manambady aman-janaka izy io ary efa manan-jafikely. Raha ny filazan’ny vadiny dia efa narary izy nialoha ny nahafatesany. Ho an’ny mpiara-miasa indray dia torana matetika eny am-perinasa izy. Ny fanamarihan’ny mahafantatra azy dia mahery misakafo ity lehilahy ity.
Hiakatra 400Ar koa ny saran-dalan’ny taksibe eny Anosipatrana manomboka amin’ny alatsinainy 30 septambra ho avy izao. Ity zotra ity hatramin’izay no mampiakatra voalohany ny saran-dalany. Izao anefa izy vao “hanitsy” ny azy araka ny filazany.
Ao anatin’ny savorovoro anatin’ny antoko TGV izay nanova rafitra sy fomba fiasa dia tsara toerana ho amin’ny toerana PDS-n’Antananarivo Renivohitra Atoa Hery Rasoamaromaka manoloana an’ireo anarana vitsivitsy nandehandeha sy novoizina an-gazety.
23 hatreto ireo mpilatsaka hofidiana solombavambahoaka ao Moramanga araka ny voalazan’ny CED kanefa mety hiova io isa io satria misy ireo milaza ny hisintona ny antontan-taratasiny.
Rabeso – Ntsoavina E.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.