Tapa-bolana eo sisa no ananan’i Madagasikara amin’ny fanomezana tatitra fangaraharana mikasika ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany eto amintsika eo anivon’ny fitantanana iraisam-pirenen’ny EITI na “Initiative pour la Transparence des Industries Extractives”. Manodidina ny 130 ireo orinasa mpitrandraka ireo no efa nandoa hetra mitentina 88,327 miliara ariary tamin’ny kitapom-bolam-panjakana ny taona 2011.
Andrasana tsy ho ela ny valin’ny fanadihadiana mikasika ireo velaran-tanimbary sy voly ravan’ireo andiam-balala eto Madagasikara. Araka ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo sy ny fambolena ary ny fiompiana dia miankina tanteraka amin’ny ady anabakabaka ny famongorana ity bibikely mpanimba voly famokatra ity izay hotanterahana mandritra ny 3 taona izany hoe, manomboka ny taona 2013 ka hatramin’ny taona 2016.
Miisa 420 ireo mpanara-maso avy amin’ny fikambanana tsy miankina hijery ny fizotran’ireo fifidianana hotanterahina eto Madagasikara. Andraikitra hosahanin’izy ireo amin’izany ny hijery ifotony ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna eny anivon’ireo birao fandatsaham-bato.
48%-n’ny zaza malagasy latsaky ny 5 taona no manana olana ara-pitomboana eto Madagasikara. Ny 13% ao anatin’io sokajin-taona io no tena ambany dia ambany izay seha-pitomboana izay.
Voaolana faobe ilay zazavavy enin-taona hita maty natsikafon’ny rano teny amin’ny ranon’Ikopa teny Ivanja Ambohitsoa. Eny Ampitatafika no monina ny ray aman-dreniny. Mpibata entana eny Anosibe no tompon’antoka tamin’ity zava-doza ity. Ny sabotsy maraina no hita farany io zaza io.
Ny talata 24 septambra 2013 ho avy izao no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena fihodinana voalohany. Hikatona anio alakamisy amin’ny 8ora alina kosa ny lisi-pifidianana. Miisa fito hetsy sy fito tapitrisa ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ity, taha ambony indrindra hatramin’izay.
Ramano F sy Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.