Anisan’ny ady goavana atrehan’izao tontolo izao amin’izao fotoana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny ady amin’ny sigara. Mba hiatrehana io ady goavana io dia mpanao gazety maro no notoloran’ny Office Nationale de Lutte Anti-Tabac na OFNALAT fampiofanana tetsy amin’ny Motel Anosy, omaly tontolo andro.
Notokanana omaly teny Ankorondrano ny foiben-toeran’ny komitim-pifidianana na «Quartier Général»-n’Atoa Razafindravahy Edgard, kandidan’ny antoko TGV. Niala tsy ho sekretera jeneralin’ity antoko ity izy ho fanajana ny lalàna, araka ny filazany. Nisy koa tamin’io omaly io ny fanehoana ny boky mirakitra ny tantaram-piainany sy ny vina ho an’ny tanànan’Antananarivo.
Napetraka ofisialy amin’ny toerany ny talata 17 septambra, raha efa voatendry tamin’ny volana aogositra, ny lehiben’ny Faritra Itasy vaovao, ny adminisitratera sivily Rasoanaivo Francis Odilon. Prefen’Antananarivo izy talohan’ny nanendrena azy ho amin’ity andraikitra vaovao ity, nisolo toerana an’i Andriamalalavonjy Solomanoro.
Nambara nandritra ny famaranana ny andiany faha-20 amin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena an-tsekoly fa ny tanànan’i Nosy-Be Hell-Ville no handray ny fanamarihana ofisialy ny fidiran’ny taom-pianarana 2013-2014, amin’ny volana novambra ho avy izao.
Nahitana zazavavy maty natsikafon’ny rano teny Ivanja Ambohitsoa omaly tolakandro tamin’ny 3ora30. Dimy taona eo io zaza io. Mpanjono no nahita azy ka nampiakatra azy tety an-tanety. Tsy nisy nahafantatra azy ny teny amin’ny manodidina.
Hivoaka ny sabotsy izao ny valin’ny fanadinana baka eto an-drenivohitra, raha ny filazan’ny tomponandraikitra. Aorian’ny hamoahana ny fetrisa farany hahafahan’ny mpiadina dia ho azo ny tambinkaraman’ireo mpitsara fa tsy toy ny an’ny Bepc sy Cepe
JD sy Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.