Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 17 Septambra 2013


Handahatra mpanakanto miisa 12, nandray anjara tamin’ny hira «Manan-danja ny safidiko», eny amin’ny Coliséum Antsonjombe ny CENI-T amin’ny sabotsy 21 aogositra izao, mandritra ny hetsika fanentanana ny olom-pirenena tonga taona handatsa-bato amin’ny fifidianana ho avy.

Nanambara ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice, fa dia ho avy amin’ny faran’ity volana ity ny andiany voalohany amin’ireo bileta tokana manodidina ny 7 tapitrisa natonta tatsy Afrika Atsimo. Amin’ny fiandohan’ny volana oktobra kosa no ho avy ny andiany manaraka.

Taorian’ireo fipoahana baomba nifanesy hatao ho ao dia olona efatra no efa voasambotra hatreto. Mitohy ny fisamborana, araka ny fanomezam-baovao nataon’ny teo amin’ny zandarimariam-pirenena misahana ny raharaha.

Tsy mandray taratasin-tsolika avy amin’ny Fanjakana intsony ireo toby mpaninjara an’ny kaompania Galana nanomboka ny alatsinainy 16 septambra. Nametra ny isa azony raisina kosa ny kaompania Jovenna.

Ferana ho 20115 ny isan’ny biraom-pifidianana, mety mbola hihena anefa io isa io aorian’ny 19 septambra ho avy io hamaranana tanteraka ny lisi-pifidianana.

Hahatratra 30 miliara ariary ny vola holanian’ny hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Io no nambaran’ny jeneraly misotro ronono, Ferdinand Razakarimanana tao amin’ny fampielezampeo tsy miankina iray.

Nahatrarana rongony indray tany Zazafotsy distrikan’Ihosy omaly alatsinainy. Nahatratra 72 gony milanja 1,5 taonina izy io. Vehivavy no tompon’antoka. Efa nodorana any akaikin’ny garan’ny seranampiaramanidina any an-toerana ny entana.

Manomboka ny fidiran’ny mpianatra. Vao herintaona sy tapany ny zaza dia efa alefan’ny ray aman-dreniny any an-tsekoly. Roa taona no betsaka. Ny antony dia noho ny fitadiavana. Miasa ny renin’ny zaza, tsy mody raha tsy hariva.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany Antsapanimahazo Antsirabe omaly tamin’ny 1ora 30 tolakandro. Maty ny mpamily. Vehivavy iray sy ankizy ary ny mpanampy ny mpamily kosa naratra ary efa nentina any amin’ny hopitaly. Vokatry ny fialan’ny tsindry hisatra no nahatonga ny loza.

Nangonin’i JD & Rabeso

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT