Actualités

TAPATAPANY


  • Alatsinainy 16 Septambra 2013


Nivoaka omaly ny voka-panadinana bakalôrea ho an’ny Faritanin’i Fianarantsoa. 35,33% ny taham-pahafahana ho an’ny sokajy ankapobeny raha 39,14% ho an’ny sokajy teknika. Ny hamaroan’ny kandida tsy miankina sy ireo mpianatra amin’ny taona faha-11 nanala fanadinana no voalaza fa nampidina ny taham-pahafahana tamin’ity. Ny foibem-panadinana Imito no nitana ny laharana voalohany tamin’ny hamaroan’ny mpiadina afa-panadinana.

Tafakatra 10 ankehitriny ireo kandida solombavambahoaka ao Fenoarivo Atsinanana. Ny kandidan’ny FFF (Firaisam-pirenena ho an'ny fahafahana sy ny fandrosoana) no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany tao amin’ny OVEC farany. Tsiahivina fa amin’ny 23 septambra no hifarana ny fandrasaina dosie amin’ny fifidianana solombavambahoaka izay hatao amin’ny 20 desambra 2013.

Mitaraina ny mpanjifa madinika ao Toliara fa izy ireo hatrany no mizaka ny fatiantoka ateraky ny tsy fahaiza-mitantana eo anivon’ny Jirama, nefa jerem-potsiny ireo tranom-panjakana sy ireo mpandraharaha “be hatoka” ary koa ireo mpiasan’ny Jirama zara raha mandoa faktiora nefa mivarotra jiro sy rano amin’ny manodidina azy.

Na maro aza ireo antoko sy fikambanana mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana dia amin’ny anaran’ny liisitra tokana dia ny ankolafy Ravalomanana ihany no handrotsahan’izy ireo ny kandida solombavambahoaka fa tsy hitondra anarana antoko na fikambanana, hoy i Mamy Rakotoarivelo.

Zazavavikely 13 taona no namidin-dreniny tamina lehilahy tompon’orinasa fanta-daza ka samy miara-matory amin’ilay lehilahy izy mianaka ankehitriny.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT