Notanterahina tao Morondava ny lanonana ofisialy nametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny Faritra vaovao, Atoa Romain Gilbert, Administratera sivily, izay voatendry ny 09 aogositra 2013 nandimby toerana an’Atoa Ratsimbalson Faharo. Ity farany izay voatery nametra-pialana noho izy kandida filoham-pirenena.
Hiaraka hanamarika ny Andro iraisam-pirenana momba ny vonjy taitra ny Croix-Rouge Malagasy sy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ATT. Hisy hetsika hatao eny amin’ny toby fiantsonan’ny fiarakodia eny Ampasapito anio, ho fanamarihana izany.
Tsy manakana ny tsy hirosoana amin’ny fifidianana ny tsy fananan’ny ankolafy politika kandida, hoy ry zareo KMF/CNOE. Na izany aza dia manahy ny lafiny fandriampahalemana izy ireo sao io no tsy hahatontosa ny fifidianana.
Hitorajofo indray ny vovoka eny Andohatapenaka, mifanila amin’ny kianja Makis. Hotanterahina eny an-toerana mandritra ny roa andro, ny sabotsy sy alahady, ny Slalom Orange Total Quartz FMMSAM, izay andiany fahadimy amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara amin’ny «slalom», taranja fanamoriana fiarakodia.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.