Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 13 Septambra 2013


Misy ankehitriny ny fifanarahan’ny APIPA sy mpaka fasika mikasika ny fakana ny fasika any amin’ny renirano eto an-drenivohitra. Eny afovoany no alaina ny fasika mba hikorinan’ny rano ara-dalàna amin’izao faharitany izao. Tsy azo atao kosa ny maka fasika amorona fotodrafitrasa fa mandoaka ny tany.

Nifarana omaly ny fivoriana notanterahan’ireo tompon’andraikitra ambony manerana ny Nosy  eo anivon’ny zandarimariam-pirenena rehefa naharitra roa andro. Nanome baiko manokana momba ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fifidianana ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena. Nojerena koa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any atsimon’ny nosy, indrindra ny resaka halatra omby.

 

Mananamarika ny faha-50 taonany ny  ENEM na sekolim-pirenena fanofanana tantsambo ao Mahajanga. Nifanindran-dalana tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny ranomasina isaky ny 12 septambra izany. Fantatra tamin’izany fa dia efa manodidina ny 5000 ny tantsambo malagasy nivoaka tao amin’ity sekoly ity hatramin’ny niforonany.

 

Mampitaraina ny mpandeha ny zotra 137 mampitohy an’Andoharanofotsy amin’Analakely. Ireo mpandeha miandry ao amin’ny Terminus ao Analakely no matetika misedra olana, miandry fotoana maharitra vao tafiditra anaty fiara, indrindra rehefa harivariva ny andro.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT