Sinoa lahy mpandraharaha vato eny amin’ny 67ha sy ny mpiasa lahy iray ao aminy no samy hita maty mifatotra tongotra aman-tanana ary mitampina “scotch” ny vavan’izy ireo teny amin’ny farihin’Andranotapahana omaly maraina. Nahitana ratra ny faritry ny lohan’izy ireo, saingy tsy nahitana dian-javamaranitra na diam-bala. Raha tombana dia novonoina tany an-toeran-kafa ireto olona ireo no nariana teny an-toerana.
Miandry ny vokatry ny fivorian’ny Troika-SADC tany Namibia omaly sy izay toromarika homen’Atoa Marc Ravalomanana ireo mpiaradia aminy etsy amin’ny Magro Behoririka. Mandra-piandry izany dia manamafy ireo mpitarika nandray fitenenana omaly fa tsy izy io fifidianana amboletra io, ary tsy mbola misy resaka fanohanana kandida izany hatreto.
Fahasahiana goavana ny nilazan’Atoa Didier Ratsiraka fa mbola misy hatrany ny Tanindrana manao asa maloto eto amin’ity firenena ity. Araka ny filazany dia Tanindrana avokoa ireo nametraka fitoriana teny amin’ny CES hanilihana an-daharana azy amin’ny fifidianana.
Tapaka ny jiro tao Toliara omaly hariva. Tsy afaka nanaraka nivantana ny fandaharan’ny TV Plus ao an-toerana izay nampita nivantana ny fandaharana manokana nanasana ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka, nataon’ny TV Plus Antananarivo ny mpanara-baovao any an-toerana.
Hifarana amin’ny 23 septambra izao ny farafandraisana ny antontan-taratasin’ireo maniry hirotsaka hofidiana solombavambahoaka, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny governemanta manokana natao teny Iavoloha omaly.
Miisa 20.115 ny isan’ny biraom-pifidianana nofaritan’ny CENI-T hatreto, ka ny Faritra Ihorombe no vitsy indrindra, miisa 330, raha ny Faritra Analamanga no maro indrindra miisa 2365.
Mitaraina ireo mpamily fiarakaretsaka amin’ny tsy fahazoana solika amin’ny alalan’ny tavoahangy na bidon. Ho azy ireo mantsy ny ankamaroany dia tsy alefa mivantana ao anaty fitoerany ny solika. Misy koa ireo lany an-dalana ny solika dia hanahirana ny hanosika mandrapahatoga eny amin’ny toby
Teraka any Sambirano Sambava ny sekoly ambony momba ny fambolena na Ecole superieur agronomique du sambirano. Mpianatra manana diplaoma bakalorea D na C no afaka mifaninana hiditra ao. Sekoly ambony tokana any an-toerana izy io.
Amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny fifidianana dia nilaza ny jly Ravalomanana Richard fa mila mampandre azy mialoha ireo mirotsaka hofidiana hanomanany ny fifehezana ny fandriampahalemana. Tsy ho vita, hoy izy ny hiaro ny kandida tsirairay fa mila fanomanana.
Nangonin’i JD & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.