Ny praiminisitra mihitsy no sakana tsy mampody an’i Dada, hoy ny CT Rarison Hilarion ka rariny ny profesora Zafy Albert raha te hanala azy. Mbola ny praiminisitra ihany koa no milaza fa ny tondrozotra no lehibeny, tsy mbola tanteraka ny tondrozotra anefa ny praiminisitra indray no mampirisika hanao ny fifidianana, hoy hatrany ny CT Rarison Hilarion.
Hotanterahina manomboka rahampitso 12 septambra ao Antsiranana ary hitohy hatramin’ny alahady 15 septambra ny zaikaben’ny Dorkasy FJKM. Mpizaika roa alina avy amin’ny synodam-paritany 37 no handray anjara amin’izany manodidina ny lohahevitra dorkasy miasa, miaina fitiavana.
Tonga eo amin’ny andiany faha-10 ankehitriny ny festival Angaredona, tarihin-dRajery, na eo aza ny krizy. Hetsika hanomezana sehatra ny mozika miaina ary sehatra hanasongadinana ireo talenta vao misandratra. Hatao ny 15 ka hatramin’ny 22 septambra ny festival, ka eny Ambohimanga no hatao ny fanokafana.
Nanolotra fanafody mitentina 700 tapitrisa Ariary ho an’ny ministeran’ny fahasalamana ry zareo Sinoa. Izany dia tafiditra amin’ny fanamafisana ny ady ataon’ny tazomoka.
Miovaova ny toetr’andro. Nanjavona be indray teto an-drenivohitra omaly maraina. Tamin’ny fito ora mahery izany vao nitsahatra. Nidanika igahibe masoandro nanomboka teo.
Mafana ny andro ka manjaka ny hain-trano ankehitriny. Ankoatra ny teny Tanjombato dia nisehoana hain-trano koa teny Ankazomanga teny omaly hariva. Nisinisy ihany ny fahavoazana.
Nitaraina ny mponina teny Maibahoaka Ivato teny omaly. Nisy taribin’ny herinaratra nirehitra teny an-toerana omaly hariva. Efa ho adiny iray mahery no niantsoana ny mpiasan’ny jirama fa tsy nisy tonga ry zareo.
Nangonin’i JD & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.