Tanterahina ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny Atrikasam-pirenena momba ny «Paikadim-pirenena ho fanaingana ny Fampandrosoana» na ny «Stratégie Nationale de Relance du Développements». Nambaran’ny praiminisitra Beriziky fa tanjona amin’izao ny ahafahana mamolavola programa hampandrosoana an’i Madagasikara satria efa lany andro tamin’ny desambra 2012 ny Madagasikara Am-perinasa na MAP.
Voasambotry ny zandary ireo olona telo, lahy roa sy vehivavy iray, tompon’antoka tamin’ny famonoana lehilahy iray tompona hotely iray teny Ambatolampikely Ambohimalaza ny herinandro lasa teo. Vely kanota in-droa teo amin’ny loha tamin’ny botankazo misy fantsika no nahafaty ilay lehilahy. Tao an-dakozia no nidarohana azy avy eo nafenina tany amin’ny trano fidiovana ny vatana amangatsiakany. Lasan’ireo olon-dratsy ny vola sy finday efatra.
Mitsidika any sainte Marie ny praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria, Botozaza Pierrot. Nijery ifotony ny firoson’ny asa fanamboarana ireo fotodrafitrasa samihafa any an-toerana ny tenany, toy ny lalana, seranana ary ny fanamafisana fefiloha. Nisy koa ny fihaonany amin’ireo solontenam-panjakana sy olobe ao an-toerana.
Mahatratra 40% ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eto Antananarivo Renivohitra araka ny fantatra. Ny tsy fananan’ny ray aman-dreny no antony dia kely mihary ny ankizy hivelomana. Maro koa ny tsy afa-mampiana-janaka noho ny krizy
Nangonin’i JD & Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.