20 andro aorian’ny latsa-bato no mamoaka vokatra vonjimaika amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny CENI-T ary 15 andro aorian’izany no mamoaka ny vokatra ofisialy ny CES. Ny alin’ny 25 oktobra ihany anefa dia mety ho fantatra ny fironan’ny safidin’ny mpifidy vokatry ny fampiasana ny teknôlôjia.
Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny Fokontany Sahina, Kaominina Ambatoharanana, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana ny sabotsy teo. Afo nahandroana renitantely no voalaza fa nitarika ity fahamaizana tanàna ity. Olona arivo eo no traboina tsy manan-kialofana sy sakafo hohanina vokatr’izany.
Tafakatra folo ankehitriny ireo kandida nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny OVEC Manakara. Ny kandidan’ny antoko Tambatra no faha-10 nametraka ny azy ny faran’ny herinandro teo.
Hamory ireo kandida filoham-pirenena ny CENI-T ny marainan’ny alarobia 11 septambra izao. Ny fitsinjarana ny fotoana hanaovan’ny kandida fampielezan-kevitra amin’ny haino amanjerim-panjakana no ho lahadinika amin’io andro io.
Nitohy teny Ambohidratrimo ny famoriam-bahoaka nataon’ny kandida Hery Rajaonarimampianina omaly. Nisy talohan’izay ny nanokatra fifaninanana baolina lavalava tetsy amin’ny kianja ANS Ampefiloha ny tenany sady nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.