Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 07 Septambra 2013


Atoa Patrice Talla Takoukam indray no solontena maharitra ny sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny fiahiana ara-tsakafo na FAO miasa eto Madagasikara. Nanolotra ny dika mitovy taratasy fanendrena azy amin’izay andraikitra izany tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Andriantiana Jacques Ulrich izy omaly. Ho sahany miaraka koa ny Nosy Kaomoro sy Maorisy ary  Seychelles.

Tanterahina any Nice Frantsa nanomboka omaly ny andiany faha-7 amin’ny lalaon’ny tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Mpandray anjara miisa 3000 avy amin’ny firenena 55 no mifaninana any an-toerana. Manana solotena 7 amin’izany i Madagasikara.

Nisy namoaka an-tsokosoko tao amin’ny toby miaramila eny Betongolo ireo andramena nogiazana tao hatramin’ny 2009. Nisy nikasa hanondrana ireto hazo sarobidy ireto saingy sarona teny Ampangabe Ambohitrinimanjaka ny talata teo. Ny zandary misahana ny fikarohana heloka bevava no mandray an-tanana ny fanadihadiana.

Nanomboka omaly ao Toamasina ny hetsika «Smile for Madagascar» itsaboana ireo zaza sima, amin’ny alalan’ny fandidiana. Haharitra herinandro ny hetsika ary maimaimpoana.

Niakatra ny saram-pisoratana anarana ho an’ny mpianatra amin’ny EPP. Ho an’ny sekoly sasany ny 15000Ar nisondrotra ho 17000Ar. Ny an’ny sasany 10.000Ar lasa 20.000Ar miankina amin’ny sekoly. Hampihena salam-pahavitrihan’ny ray aman-dreny hampiana-janaka io noho ny krizy miha mitombo.

Tsy azo atao indray izao ny mividy lasantsy amin’ny tavoahangy na bidon na jerikanina. Ny antony dia vokatry ny fipoahana nisesisesy teto an-drenivohitra. Tsy maintsy amin’ny alalan’ny fiara na moto izany no mividy solika

Nangonin’i JD & Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT