Nanambara ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM omaly raha nanao fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety fa dia vita ny lasitry ny dina fampihavanana ny mpanao politika izay hatomboka amin’ireo filoha efa-dahy. Nanamafy ny FFKM fa hisy ny fampihaonana ireto farany eto Madagasikara, saingy tsy mbola voatondro kosa ny toerana sy ny fotoana hanatanterahana izany.
Hisy hetsika ho fanomezam-boninahitra ny minisitry ny mponina teo aloha Nadine Ramaroson hatao etsy amin’ny Complexe Scolaire Ampefiloha ny sabotsy 7 septambra ho fahatsiarovana ny faha-2 taona nahafatesany. Mendrika izany fahatsiarovana izany ny zanakay, hoy i Alain Ramaroson, satria dia nentiny avo loatra ny voninahitr’ity tetezamita ity.
Nanao tatitry ny asany nandritra ny taona 2012 ny sampana miady amin’ny famotsiam-bola na SAMIFIN izay manamarika ny fahadimy taona nijoroana ihany koa. Nahatratra 303 ny tranga famotsiam-bola hita ka ny 229 amin’ireo dia tato anatin’ny telo taona farany avokoa ary ny 66%-n’ny tranga famotsiam-bola dia niseho tato anatin’ny Faritra Analamanga.
Nihazo an’i Afrika Atsimo omaly ny filoha nasionalin’ny antoko ENINA sady kandida filoham-pirenena Tehindrazanarivelo Alain. Haharitra efatra andro ny diany any, ka ny alahady 08 septambra no hiverina ary amin’izay no hilazalazany ny vokatry ny diany tany.
Tovovavy handeha hiampita ny arabe no voahitsaky mpamily fiarakaretsaka R4 omaly tamin’ny mitataovovonana teny Bel’air akaikin’ny EPP Voibola. Ndeha ho any amin’ny Rasalama ilay fiara. Tsy nahatsangana ilay tovovavy fa mafy ny fahavoazana. Ny feny no nitarainany mafy. Ny mpamily ilay fiara ihany moa no nitondra azy haingana tany amin’ny hopitaly.
Nangonin’i JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.