Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 05 Septambra 2013


Nasiam-panovana ny governemanta ka nanendrena minisitra vaovao iray sy namindrana toerana minisitra iray hafa. Tsy mbola voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly kosa ny filohan’ny delegasiona manokana hitantana ny tanànan’Antananarivo, handimby toerana an’Atoa Razafindravahy Edgard. Ity farany izay kandidan’ny TGV amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Itrangana disadisa ara-tany eny Amboditsiry, Boriborintany faha-5. Tanim-panjakana hanorenana fanasan-damba izay efa an-dalam-panamboarana no nisy nilaza tampoka fa manan-tompo ary nofaritany fa hoe efa ananany taratasy mazava, izay nahagaga ny mpiray tanàna satria tsy nandalo ireo dingana voafaritry ny lalàna raha hangataka tanim-panjakana akory, ka toherin’izy ireo.

Natao omaly ny fanadihadiana lalina mikasika ny fitorian’ny mpiray fiangonana amin’i Marc Tatandraza miampanga an’ity farany ho nanozona mpiangona. Samy  namonjy fodiana na ny mpitory na ny voampanga ka anio no hivoaka ny didim-pitsarana mikasika izany.

Nangoninin’i JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT