Actualités

TAPATAPANY


  • Alarobia 04 Septambra 2013


Manamafy ny CST Ramaherijaona Haja fa dia i Edgard Razafindravahy no kandidan’ny TGV amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy. Kongresin’ny antoko tamin’ny aprily 2013 teny Andranomena no nanapaka an’io ary tsy mbola nisy na teny midina avy amin’ny filoha mpanorina ny antoko na koa kongresy nanova izay fanapahan-kevitra izay.

Mandrahona hitokona ny mpiasan’ny ministeran’ny ala sy tontolo iainana manomboka rahampitso alakamisy. Mitaky ny hanafoanana ny “comité de pilotage” momba ny andramena izy ireo ary koa mitaky ny hanokafana ara-dalàna ny fanondranana “bois de rose”.

Miatrika fiofanana hatry ny omaly eto an-drenivohitra mikasika ny fanelanelanana sy fanairana mialoha raha misy disadisa mety manohintohina ny zotra-pifidianana ireo fiaraha-monim-pirenena avy amin’ny Distrika miisa 119 manerana ny Nosy.

Noho ny tsy fahampiana ara-bola dia fantatra izao fa hiato ao Faratsiho ny fanatanterahana ny lalam-pirenena faha-43 izay mampitohy an’i Soavinandriana Itasy amin’i Sambaina (RN7).

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT