Actualités

TAPATAPANY


  • Talata 03 Septambra 2013


Matiantoka 48 tapitrisa Ariary ny mpamokatra Mada Pro sy ny SW Pro noho ny tsy fahatongavan’ilay mpanakanto vahiny Matt Houston izay nafarana manokana hanafana ny fakalazana ny faha-10 taonan’ny tarika Wawa. Nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Mada Pro fa hitory noho ny fivadiham-pitokisana nataon’ity mpanakanto frantsay ity izy ireo.

Nisy ny fanambarana niombonan’ny mpitandro filaminana ao Antsirabe ny sabotsy 31 aogositra. Mampiomana ny besinimaro izy ireo fa hisy ny fisavana tampoka ny kara-panondro ho an’ny olona izay mivezivezy, indrindra amin’ny alina.

Mitohy ny fandraisan’ny tanànan’Antsirabe vahiny. Taorian’ireo fihaonambe nisesy izay nifarana ny alahady lasa teo dia miditra indray ny fihaonamben’ny sekoly alahady sy ny fanatanjahantena an-tsekoly amin’ity herinandro ity.

Handeha ny varotra hazo fisaka sy ny hazo boribory raha ho tanteraka eo ny fifidianana. 25-40m mantsy no halavan’ny tsivalankazo hampiasaina amin’ny mpifidy miisa 33. Tsy latsaky ny 1m koa ny sakany. Ahiana koa ny halatra amin’izay raha tsy misy fanaraha-maso matetika.

Nahitana olona maty an-drano indray tany Ambodiatafana Sainte Marie ny faran’ny herinandro teo. Telo mianaka izy ireo dia ny rainy sy ny zanany mirahalahy. Ny roa efa hita ny alahady teo fa ny iray mbola karohina. Mahery ny ranomasina any ankehitriny ka mila mitandrina ireo mpitsangantsangana izay tonga maro any ankehitriny.

Velon-taraina ny mpamboly vary toy ny eny Ankasina, Ambodivonkely, Andriantany iny ankehitriny fa tondraky ny rano ny tanimbary fa tsy misy lalana ivoahany ka mety ho faty ny vary. Ny antony dia tsentsin’ny atsanga sy ny fako ary ny tsikafona ny tatatra sy ny lakandrano. Mila vonjy izy ireo.

Mimenomenona ny mpanjifa ny zotra mankeny Ambohimanarina eny fa tsy manaja lalàna mihitsy ny ankamaroan’ireo taksibe. Mbola misy ny mihodina antenantenany sy manary an-dalana nefa ny sarany 400Ar. Tsy misy intsony ny tapa-dalana 200Ar. Efa misy ireo voasazy mandoa 10.000Ar izay tratra.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT