Nitrangana fanafihan-dahalo tany Beroboka Betroka omaly. Omby 1000 any no norobain’ny andian-dahalo 200 lahy mitam-piadiana. Tsy manaiky lembenana koa anefa ny Fokonolona ka nisy ny fifandonana. Nanao antso ny tokony handefasana helikoptera sy miaramila fanampiny hiarovana ny Fokonolona sy ny fananany ny mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any an-toerana Randrianasolo Nicolas.
Andalovan’ny Taksibe avy any Ivato fotsiny etsy Andohatapenaka rehefa misy lalao baolina rugby tanterahina ao amin’ny Kianja Makis. Raha ny fantatra dia maro amin’ny mpandeha miakatra eo no manda ankitsirano tsy mandoa sarandalana ka aleon’izy ireo mandalo fotsiny na tsy feno aza rehefa mandalo eo.
Zaza roa, lahy sy vavy, no nataon’ny malaso takalonaina tany Behara, Amboasary Atsimo ny zoma lasa teo raha nanafika izy ireo. Omby folo vala no voalaza fa voaroba tamin’io, narahina tifitra. Nisy ny naratra.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.