Actualités

TAPATAPANY


  • Sabotsy 31 Aogositra 2013


Amin’ny volana martsa 2014 vao tapitra ny taom-pianarana 2012-13 ho an’ny oniversiten’Antananarivo. Vao ny enim-bolana voalohany no diavina amin’izao fotoana ho an’ny sampana teny aman-tsoratra ary amin’ny volana oktobra ny enim-bolana faharoa. Amin’io taona io koa izany vao ho azo ny maripahaizana nisasarana. Ny tetibola no antony, araka ny filazan’ny tomponandraikitra.

 

 

Teratany Pakistaney iray indray no tratra saika hanondrana volamena 2kg teny Ivato afak’omaly. Fiaramanidina Air Madagascar ho any Kaomoro no saika hiondranany. Halefa any Dubai ny entana. Efa nonina 5 taona teto ity lehilahy ity ary efa manana tranombarotra eto an-drenivohitra.

 

Ny alarobia 28 aogositra lasa teo no tokony hanotana ny bileta tokana atsy Afrika Atsimo. Ny alatsinainy 2 septambra vao hatao izany. Tara, araka izany, ny fanotana azy. Amin’ny andron’ny fifidianana koa vao havoaka ny sarin’ireo kandida 33 lanin’ny CES hofidiana.

 

Miha simba hatrany ny tontolo iainana eto amintsika. Manamarina izany ny fahatotoran’ny tohadrano lehibe manerana ny Nosy noho ny atsanga sy ny fasika izay sompitr’i Madagasikara toa an’i Alaotra Mangoro, Marovoay, Dabaraha, Morombe, Andapa. Mety hihena, araka izany, ny voka-bary eto an-toerana.

 

 

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT