Actualités

TAPATAPANY


  • Zoma 30 Aogositra 2013


Mpianatra miisa 119 no miatrika ny fifaninanam-paritra amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly DREN Anôsy. Cisco roa ihany no manana solontena, dia Amboasary Atsimo sy Tolagnaro mpampiatrano. Tsy nahatonga solontena kosa ny Cisco Betroka noho ny antony tsy fandriampahalemana. Kianja roa indramina no anatanterahana ny fifaninanana dia ny Kianjan’ny miaramila ao amin’ny Camp Flacourt, kianja Fo Masin’i Jesoa Baskety noho ny tsy mbola fahavitan’ny kianja lazaina fa manara-penitra ao Ampasamasay efa volana maromao izao.

Mitaraina ireo mpandraharaha mampiasa fiara itondrana mpizahatany mivoaka an’Antananarivo fa misy mivarotra gazoala mitapoka amin’ireny toby mpaninjara solika ireny ka manimba fiara.  Araka ny fitarainan’izy ireo tamin’ny onjam-peo tsy miankina iray teto an-drenivohitra omaly dia fiara telo no niara-maty tamin’ny lalam-pirenena faha-7 vokatr’izany tamin’ny herinandro lasa teo.

Mitety faritra indray ireo kandida filoham-pirenena rehefa somary nangina teo ho eo. Any Mahajanga i Camille Vital. Nanokatra ny foiben-toeran’ny “Hiaraka isika” mandrotsaka azy ho kandida filoham-pirenena izy omaly. Eo anoloan’ny Lycée Philibert Tsiranana no misy azy ity miaraka amin’ny sary be velarana.

CD piraty an’arivony no noraofin’ny “Brigade anti-piratage” tao Mahajanga omaly. Olona miisa valo no voatana niaraka tamin’ny entana ary anaovana fanadihadiana. Mitaraina anefa ireo mpivarotra fa misy olon’ny OMDA maka vola amin’izy ireo mba hahafahan’izy ireo mivarotra ireny CD misy hira na horonantsary natao dika mitovy ireny.

Maty tsy tra-drano vokatry ny herinaratry ny jirama ny lehilahy iary 39 taona tetsy Antetezanafovoany tamin’ny 5 ora30 maraina. Mpivarotra no asany. Hamoha ny gadanan’ny vavahady izy no niampatra tamin’ny tany. Tsy nanao kiraro izy tamin’io. Araka ny filazan’ny nanatri-maso, mbola nisy herinaratra ilay gadana na dia efa novonoina aza ny kaontera.

Hamboarina ny tohatohabato Razafindrazay 416 etsy Mahamasina ho any Andohalo. 416 no isany hatrany an-tampony any. Tohatra 29 no hamboarina tanteraka izay mirefy 18m. Iray volana no fe-potoana hanamboarana azy. Vola 11 tapitrisa ariary no holaniana hanatanterahana ny asa.

Jeren’ny olona fotsiny sisa ny ny mpaka trondro etsy amin’ny ranon’Anosy raha ny tsikaritra omaly antoandro. Tsy taitra mihitsy izy manao ny asany. Na ny mpitandro filaminana aza mijery fotsiny.

Taorian’ny fanafihana nisesisesy teny Alatsinainy Ambazaha Antsahadinta dia mihorohoro indray ny mponina eny Faliarivo Ampitatafika eny fa an-dry zareo indray, hono, izao ny manaraka. Nanatanteraka fivoriambe ny teny an-toerana ka nifanaraka fa hasiana jiro ny tanàna ary hohatevenina ny andrimasom-pokonolona.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT