Actualités

TAPATAPANY


  • Alakamisy 29 Aogositra 2013


Tontosa soa aman-tsara ny alahady teo rehefa naharita telo andro ny “festival” nokarakarain’ny Fikambanan’ny mpianatra avy any Boriziny mandranto fianarana ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Andiany faha-10 izy ity, nifanojo indrindra amin’ny fahavitan’ny fanadinana bakalôrea.

Manoloana ireo resabe sy ny ahiahian’ireo mpiara-dia aminy fa misisika hisolo toerana an’i Neny i Mamy Rakotoarivelo amin’ny fifidianana, dia nilaza izy fa toromarika avy amin’ny filoha Ravalomanana no tanterahiny. “Tsy izaho no namadika, na mamadika, na hamadika velively ny ankolafy Ravalomanana”, hoy izy.

Noferana hatramin’ny valo ora sy sasany alina ny fe-potoana ahafahan’ny bajaj taxi ao Mahajanga. Natao izao fandaminana izao, mba handravonana ny disadisa eo amin’ny mpamily taxi mahazatra sy ny Bajaj.

Nitokona teo anoloan’ny ministeran’ny asam-panjakana teny amin’ny 67ha omaly ireo mpiasa efa vita fifanarahana sy efa niomana hiasa any Koweit, Arabia Saodita, Dubai… Niaro tena ary nanazava tamin’ireo mpitokony ny boaty fa ny governemanta no nanapa-kevitra

Nanomboka tamin’ny alatsinainy 26 ary hifarana ny zoma 30 aogositra ny fanadinana hidirana SEMIPI na Sekoly Miaramilam-Pirenena 2014. Ny 26-27 ny visite medical, ny alarobia 28 ny fanatanjahantena (100m sy 1.000m), ary manomboka anio alakamisy 29 aogositra ny adina an-tsoratra ahitana ny matematika, fizika, malagasy, frantsay... Marihina fa 50 no halaina manerana ny nosy. Ho an’Antananarivo fotsiny anefa dia mahatratra 300 no nisoratra anarana.

Nangonin-dRabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT